• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Trafika Sokatra : Olona 3 eny Tsiafahy, olona 1 eny Antanimora

28/06/2023 07:38 © Moov.Mg

Ady amin'ny trafika sokatra : Olona 4 no tanana am-ponja, ka ny 3 eny Tsiafahy, ary ny iray eny Antanimora.

Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny Polisim-pirenena tamin’ny alalan’ny “Service cybercriminalité” sy ny Fadintseranana miaraka amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy hiadiana amin’ny fitrandrahana sy fanondranana an-tsokosoko ny sokatra eto amintsika.

Mpisera sokatra amin'ny Facebook

Ny faran’ny herinandro teo dia olona 3 mpivarotra sokatra amin’ny tambazotra serasera no voasambotra miaraka amin’ny sokatra miisa 9 vokatry ny fahaiza-manaon’ny “Service cybercriminalité” eo anivon’ny Polisim-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny mpamatsy sokatra sy ny mpivarotra azy amin’ny tambazotran-tserasera. Voatazona eny tsiafahy ny 2 amin'izy ireo ary any amin'ny fonjan'Antanimora ny iray.

Vahiny nikasa hanondrana ny harem-pirenena Malagasy

Teratany Israelianina iray ihany koa no voatazona eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy rehafa saron’ny Fadintseranana tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato niaraka tamin’ny zana-tsokatra miisa 59 izay saika haondrana an-tsokosoko any ivelany ny herinandro lasa teo.

Tsiahivina fa raran’ny lalàna eto amintsika sy ny CITES ny fivarotana, ny fihinanana, ny fisamborana ary ny fanondranana sokatra. Nohamafisin-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa izany amin’ny maha# Filoha Lefitry ny CITES an’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires