Banky iraisam-pirenena : Handao an'i Madagasikara i Ramatoa Marie-Chantal UWANYILIGIRA
Tontosa androany 23 jona ny lanonana fanaovam-beloma sy fisaorana an-dRamatoa Marie-Chantal UWANYILIGIRA, Solontena Maharitry ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara, izay namarana ny fotoam-piasany.
Maro ny sehatra nahitana an-dRamatoa Marie-Chantal UWANYILIGIRA teto Madagasikara. Notohanany manokana ny fiahiana ny vehivavy, ny ankizy sy ny asa sosialy. Nanome soson-kevitra maro ny tenany mikasika ny fampandrosoana an'i Madagasikara nandritra ny 4 taona. Tsy adino ihany koa ny fanamorany ny fahazoan'i Madagasikara fanampiana ara-bola. Ny solontena no mandao ny firenena, saingy mitohy hatrany ny fiaraha-miasa amin'ny Banky Iraisam-pirenena. Mihamafy hatrany izany ao anatin'ny cadre de partenariat 2023-2027 sy ny fifanarahana ara-bola faharoa mitentina 100 tapitrisa USD, izay efa karakarainy dieny izao.
"Efa firenenao faharoa mihitsy i Madagasikara, raha ny fitiavanao azy, ary tsy ho adino ny fikatsahanao hatrany ny hampandroso azy nandritra izay 4 taona lasa izany", hoy ny Minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo, nandritry ny lahateniny. Fankasitrahana feno moa no votoanton'ireo lahateny rehetra izay notonina androany.