• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fanomanana ny 26 Jona : Mangingina ny tsena amin’ny ankapobeny

22/06/2023 16:46 © Moov.Mg

Andro vitsitsy sisa no isaina dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovan-tena ny malagasy. Efa samy miomana amin’izany avokoa, na ireo mpivarotra na ireo mpiantsena.

Tsy dia mandeha ny tsena

« Tsy dia miova amin’ny mahazatra ny tsena. », hoy i Sarah, mpivarotra legioma, nitantara. Araka ny hita teny amin’ny tsenan’ny Mahazo teny dia mbola tsy nisy fiovana firy ny tsena hatreto hoarina amin’ny andavanandro. Saika kivikivy avokoa izay mpivarotra sendra anay androany, noho ny fahavitsian’ny olona miantsena, indrindra nanomboka tamin’ity herinandro alohan’ny fety ity. « Mangina be izao ny fety. Mbola niena nohon’ny isan’andro ary nanomboka tamin’ny Alatsinainy », hoy indray i Feno mpivarotra akoho amam-borona nitaraina.
« Tena tsy mandeha mihitsy izao ny tsenanay. Zara raha misy mpiantsena ». hoy i Hasina, mpivaro-kena, mitaraina. « Nandritra ireny fety farany teo ireny izao dia hena fefany na atsasaky ny fahefany no mba vidian’ny olona. Tsy misy intsony izany mividy roa kilao izany na iray kilao, eny fa na atsasany aza ». hoy hatrany i Hasina. Manoloana izany tsy fandehanan’ny tsena izany dia nisafidy ny tsy hampiakatra ny habetsaky entana ho varotany aloha i Hasina hatreto. « Ny anay izao dia hena 40 kilao toa ny isan’andro ihany no eritreretinay ho amidy amin’ny sabotsy sy ny alahady. Raha tsara kosa anefa ny tsena rahampitso dia eo izahay vao mety hieritreritra ny hampiakatra kely ny entana amidy. » hoy ity mpivaro-kena.
Ny fahasoratan’ny fiainana no nambaran’ireo mpivarotra ho mety mahatonga izao faharatsian’ny tsena izao. « Amin’izao ny olona tsy dia manam-bola dia tsy dia misy manao « provision » » hoy i Sarah mpivarotra legioma nanazava.

Mety hisy ny fiakaran’ny vidin’entana ny sabotsy ho avy izao

Na mety hisy aza ny fiakaran’ny vidin’entana amin’io faran’ny herin’andro io dia nanambara ireo mpivarotra fa tsy tokony ho ambony be izany fiakarana izany. « Miakatra ny mason-karena rehefa fety toa izao. Tsy miankina aminay mpiantoka anefa izany fa miankina amin’ny hamarotan’ny tantsaha azy ihany. » hoy i Sarah. « Ny fiakaran’ny saran-dàlana, rehefa fety toa izao, anefa matetika no tena anton’izany fiakaran’ny vidin’entana izany ». hoy hatrany ity mpivarotra legioma tafaresaka taminay.
Mety hisy an’io fiakarana io ihany koa ny vidin’ny akoho amam-borona mandritra io faran’ny herin’andro io. « Mety hisy fiakarany 1 000 ariary na 2 000 ariary eo ny vidin’ny akoho amam-borona eto aminay amin’io sabotsy sy alahady io. Raha akoho varotana 15 000 ariary amin’izao izany dia mety ho varotanay 16 000 ariary ohatra. » hoy i Feno, mpivarotra akoho amam-borona.
Efa nisy fiakarany nanomboka ny alahady teo kosa ny vidin’ny akoho fakana nofony. « Nanomboka tamin’ny alahady izao dia lasa 15 000 ariary ny kilaon’ny akoho fakana nofony raha 13 000 ariary izany teo aloha. Tsy dia misy mihitsy manko izao izy ireny rehefa mangatsiaka toa izao ny andro. » hoy indray i Fetra, mpivarotra akoho fakana nofony.

Efa misokatra tanteraka ny tsenan’ny arendrina

« Ny 15 Jona lasa teo izahay no nanomboka nivarotra arendrina », hoy i Domoina, mpivarotra kilalao sy arendrina rehefa manakaiky toa izao ny 26 Jona. « Azo lazaina ho mandeha tsara ihany aloha ny tsena hatreto na dia mbola tsy tena hoe mandeha araka ny tokony ho izy aza ». hoy hatrany izy. Mitovy ihany koa ny fankafizan’ny olona ny arendrina vita gasy sy ireo vita sinoa misy jirojiro araka ny hita teny antsena satria mitovitovy ny isan’ny lafo amin’ireo karazany roa ireo eny antsena. « Mitovitovy ihany ny fandehan’ny arendrina taratasy sy ny arendrina vita sinoa », hoy i Domoina nanamafy izany. Amidy amin’ny vidiny 1 000 ariary hatramin’ny 6 000 ariary ny arendrina taratasy eo amin’ny Domoina raha ohatra kosa ka 1 000 ariary hatramin’ny 25 000 ariary ny vita sinoa.
Ireny kilalao « laser maitso » ireny kosa no tena be mpividy eo amin’ny tsenan’i Domoina, na dia lafolafo ary izany. « Itony laser maitso intony izao amidinay 30 000 ariary hatramin’ny 60 000 ariary ». Anisan’ny tena mandeha ihany koa ny tsenan’ny tsipoapoaka izay eo anelanelan’ny 100 ariary ka hatramin’ny 500 ariary ny singany. « Tena mandeha be ny tsipoapoaka eto aminay. Lany foana ireny isan-taona. Tsy maharaka mihitsy ary izahay ». hoy i Domoina nitantara.
Tsapa ho sahirana ireo mpivarotra, ankehitriny, mandafo ny entany na dia efa ankatoky ny fety tanteraka aza. Manantena kosa anefa izy ireo, fa hisy fihatsarany ny tsena ny zoma sy ny sabotsy ary ny alahady.

Lire la suite

Articles Similaires