• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Simon Razafimandimby
Image
Vaovao

Ambatolampy - Lozam-pifamoivoizana : Zaza 8 taona no namoy ny ainy

21/06/2023 16:12 © Moov.Mg

Androany, tokony ho tamin’ny 09 ora maraina no nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana iray izay niteraka famoizan’ain’olona, tao amin’ny kaominina Andriambilany.

Zaza iray no namoy ny ainy, olona 8 hafa naratra

Zaza iray vao 8 taona monja no na namoy ny ainy, vokatr’izany loza izany. Olona 8 ihany koa no naratra, ary ny iray amin’izy ireo no naratra mafy. Nentina avy hatrany tao amin’ny hopitaly Ambatolampy ireo mpandeha naratra. Nisy ihany koa ireo naratra mafy izay tsimaintsy nalefa niakatra aingana taty Antananarivo.
Zandary miisa 10, izay notarihin’ny Kapiteny komandin’ny Vondron-tobim-paritra ny zandarimaria Ambatolampy no nitarika ny fana vonjy voina sy nandritra ny fifamoivoizana. Eny, hamoizana ain’olona foana matetika ny lozam-pifamoivoizana toa izao. Ny tsy fitandremana, amin’ny alàlan’ny fandehanana mafy, toa ny nataon’ny mpamily ilay fiara fitateram-bahoaka no anton’izany.

Fandehanana mafy

Nitarika hatramin’ny famoizana ain’olona indray, androany, ny lozam-pifamoivoizana iray niseho tamin’iny lalam-pirenenana faha-fito iny. Raha ny marimarina kokoa dia teo amin’ny Pk 57+700 Antsahafiraisana, fokontany Amboniriana, Kaominina Andrimbilany, distrikan’Ambatolampy no nitrangan’ny loza. Ny fandehanana mafy loatra no fantatra fa antony niteraka izao loza izao, araka ny nambaran’ny avy eo amin’ny zandarimaria Vakinankaratra.
« Tsy tafajanona ity fiara fitateram-bahoaka ity raha nahazo fiolahana hiditra tetezana noho ny fandehanana mafy loatra ». hoy ny vaovao voaray. Fantatra fa nisy fiara tsy mataho-dàlana (sens inverse) efa tafiditra teo amin’ilay tetezana. Nisy moto iray nijanona ihany koa teo alohan’ilay fiara fitateram-bahoaka io, niandry ilay fiara tsy mataho-dàlana ho afaka. Noho ny fandehanana mafy anefa dia voafaokan’ilay fiara fitateram-bahoaka ilay moto. Rehefa izany dia nivarina avy hatrany tany ambany tetezana ilay fiara mpitatitra olona ka niteraka famoizana ain’olona sy faharatrana izany.
Manoloana ny tranga toa izao, dia miantso ny rehetra ny zandary mba hitandrina hatrany. Ny fitandremana sy ny fanajana ny hafainganam-pandeha araka ny tokony ho izy no fomba iray mahomby hahafahana miala amin’ny loza izay mitarika hatramin’ny famoizana ain’olona toa izao.

Lire la suite

Articles Similaires