• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ambohijatovo : Mpanendaka tra-tehaka niaraka tamin’ny antsy maranitra

21/06/2023 09:19 © Midi Madagasikara

Mpanendaka sahy zavatra ! Teo ambany mason’ny polisy mihitsy ity olon-dratsy no nanao ny ataony. Noraisim-potsiny tsy afa-niala intsony tetsy Ambohijatovo ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo.

Anisan’ny faritra azo lazaina fa anjakan’ny mpanendaka sy ny tontakely iny Ambohijatovo sy ny manodidina iny, raha vao mirotsaka ny alina.

Tsy menatry ny mandratra sy mamono mihitsy mantsy ireo mpanendaka izay voalaza fa tsy maintsy miaraka amin’ny zava-maranitra rehefa manao ny asa ratsiny. Ny fitarainan’ireo mponina eny an-toerana sy ireo voatery mandeha alina no antony nanosika ny polisy avy etsy amin’ny boriboritany faharoa etsy Ambohijatovo hanao fisafoana tsy tapaka na andro na alina. Tafiditra rahateo ihany koa izany aoa anatin’ny paikady napetraky ny polisim-pirenena hiadiana amin’ny resaka tsy fandrimpahalemana eto an-drenivohitra.

Tao anatin’izany fisafoana izany, tokony ho tamin’ny 11 ora alina no nifanehatra tamina tovolahy 24 taona, teo am-panaona ny asa ratsiny izy ireo. « Tsy afaka nandositra intsony ity farany fa teo no ho eo ihany dia voasambotr’ireo Polisy. Nahitana antsy maranitra fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny teny aminy » hoy ny vaovao. Tamin’io fotoana io ihany moa dia nentina nihazo ny birao ingahy mpanendaka ary hanaovana famotorana, mandram-piandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fitsarana.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires