• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fanadinana CEPE : Nizotra tsara tamin’ny ankapobeny

20/06/2023 14:05 © Moov.Mg

Araka ny efa voalaza tany anatin’ny tetiandrom-pananadinana dia anio no fotoana voatondro hanatanterahana ny fanadinam-panjaka, CEPE.

Mpiadina 515 081, izay notsinjaraina eny anivon’ny ivon-toeram-panadinana 1995, noho izay no miatrika ny fanadinana manerana ny Nosy, anio. Ho an’ny CEG Antanimena manokana dia tsy nisy ny olana tamin’ny ankapobeny.

Tonga ara-potoana avokoa ireo mpiadina

Raha ny foibem-panadinana CEG Antanimena no resahana dia mitsinjara ivon-toeram-panadinana telo izy io, izay ahitana ny CEG Antanimena, ny EPP Antanimena III ary ny Saint François Xavier Antanimena. Raha ny mahakasika ny mpiadina indray kosa no jerena dia 16 tamin’ireo 2062 izay tokony niatrika fanadinana no tsy tonga anio. Tonga ara-potoana avokoa ireo mpiadina, izany hoe tsy nisy ireo tara tamin’ny fiantsoana na ny appel. « Tonga maraina loatra ary ireo mpiadina satria tamin’ny 07 ora maraina izy ireo dia efa nampandrosoana tany anatin’ny efitra hiatrehan’izy ireo ny fanadinana », hoy ny talen’ny sekoly CEG Antanimena, Tantelinirina Razafiarivony.
Momba ny laza adina dia tsy nisy ihany koa ny olana. « Nilamina tsara ny mahakasika ny laza adina. Tsy nisy aloha ny hoe fivoahan’izany talohan’ny fizarana azy. Eo ihany koa moa ireo « Responsable sécurité sujet » sy ny « comité de vigilance » ary ihany koa ireo mpitandro ny filaminana izay manamafy ny filaminana ety an-toerana. » hoy hatrany ny tale.
Raha ny mahakasika ny laza adina kosa no resahana dia maro ireo mpiadina no nilaza fa moramora ihany ny fanadinana natao ny tapany maraina teo. « Mora avokoa ireo laza adina tamin’ny maraina amin’ny ankapobeny ». hoy i Sarobidy, anisan’ireo ankizy mpiadina. « Azo lazaina ho mora ihany koa ny Opération sy ny problème ary ny Connaissance Usuelle », hoy i Fitia nanampy azy. Tao ihany koa anefa ireo mpianatra nahita fa somary sarotra ny Problème sy ny Tantara. « Ny tantara no nisy nananosarotra kely tamin’ilay fanotaniana hoe manambara inona ny sainam-pirenena ? » hoy indray i Wendy rehefa nanotaniana.
Amin’izao tapany hariva izao dia hiroso amin’ny fiatrehana ny Malagasy, ny Français ary ny Géographie indray ireo mpiadina.

Nisafidy ny hanatitra sakafo ny ray aman-dreny

Niomana ara-tsaina avokoa na ny mpianatra na ny ray aman-dreny nandritra ny fanomanana iny fanadinam-panjakana iny. Samy niezaka nanao sakafo miova amin’ny mahazatra ireo ray aman-dreny hampifaliana ny ankizy. « Ny anay izao steak no natao sakafony satria izay no mba zavatra tena tiany. » hoy ny rain’i Sarobidy nitantara. Tao ihany koa anefa ireo ray aman-dreny sasany no tsy afaka nanomana ara-bola loatra noho ny tsy fisiana. « Ny anay izao dia izay azon’ny vola ihany no sakafo natao. Tsy nisy hoe nanangona vola manokana hanaovana sakafo mivoaka be amin’ny mahazatra satria tsy ampy ny eo ampela-tànana. » hoy ihany koa ny ray aman-dreny iray nanatitra sakafo nitantara.
Ny akamaroan’ireo ray aman-dreny teny Antanimena dia saika nisafidy ny hanatitra sakafo ho an-janany, mba hialana amin’ny fivezivezen’ny zaza sy ny arehana. « Aleonay mitondra sakafo amin’izay tsy reraka mivezivezy ny ankizy, fa ihany koa mba hahafany mifantoka tsara satria mbola hiatrika fanadinana ny hariva. » hoy hatrany ny ray aman-dreny izay sendra anay.
Nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinana CEPE raha ho an’ny CEG Antanimena manokana. Na izany aza anefa dia nisy ihany ireo ray aman-dreny mpanati-bary no taraiky vao tonga, ka nahatonga ireo mpiadina tsy dia nitombona firy.

Lire la suite

Articles Similaires