• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Infos De L'Ua
Image
Vaovao

Oniversiten'Antananarivo : Mpianatra Sociologie miisa 161 nahazo diplaoma

20/06/2023 05:28 © Moov.Mg

Notanterahina ny 16 jona lasa teo ny "sortie de promotion" ny Andiany « Lia Raike », maripahaizana taona faha-3, taranja "Sociologie", teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo.

Lanonam-pifaliana no nitranga teny amin'ny Katedraly EGS, Oniversiten'Antananarivo. Mpianatra 161 no nahatafita ny telo taona nianarana ka nahazo ny diplaoma "Licence professionnelle". Mpianatry ny Hay Fiarahamonina (Sociologie) ao amin'ny Sehatra hay Hary, hay Fitantanana ary ny Hay Fiarahamonina (EGS) ireto navoaka tamin'ny fomba ofisialy ireto. Nanotrona azy ireo ireo mpampianatra, fianakaviana ary tapaka sy namana.

Fikarohana na asa

Tsy vitsy amin'izy ireo no misafidy hanohy ny fianarana mba ahazoana ny mari-pahaizana "Master" afaka taona vitsy. Azon'izy ireo atao mihitsy aza ny manohy hatrany raha te hisehatra amin'ny fikarohana sy ny fampianarana eny amin'ny ambaratonga ambony. Noho ny fahasarotan'ny fiainana kosa nefa, misy ireo hiditra amin'ny sehatry ny asa avy hatrany. Marihana fa maro ireo sehatra azo idirana : serasera, fanabeazana, fiahiana ny mpiara-belona, sns. Azo atao tsara ny maka traikefa eo amin'ny sehatry ny asa sady manohy ny fianarana.
Amporisihina hatrany ireo tanora mba tsy hanao ambanin-javatra ny fianarana. Na firy taona na firy taona, azo atao tsara ny manohy ny fianarana. Tsy adino ny famakiana boky mba hampiakarana hatrany ny letam-pahalalana.

Lire la suite

Articles Similaires