• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Compagnie Imerina Centrale
Image
Vaovao

Manjakandriana – Zava-mahadomelina : Tratra ny tambazotra mpanaparitaka

19/06/2023 18:14 © Moov.Mg

Tambazotra mpamboly sy mpivarotra rongony ary mpanao trafika rôrô sy métamphétamine no tratran’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny distrikan’i Manjakandriana.

Tratra niaraka tamin’ny zava-mahadomelina

Nahomby ny asa fitsirihana izay nataon’ny mpitandro ny filaminana tao amin’iny distrikan’i Manjakandriana iny ny herinandro lasa teo. Tratran’ireo zandary nanao fisafoana ny lehilahy roa mpivarotra sy mpamatsy rongony.
Araka ny fantatra dia ny paozin’izy ireo nikivilavila tamin’ny moto, izay efa mamon’ny zava-mahadomalina, no nanaitra ny zandary. Teo ampitondrana moto tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, teo Ampisotroandranomasina raha ny marimarina kokoa, no nifanenan’izy ireo tamin’ny zandary ny 17 jona tamin’ny 03 ora maraina. Rongony efa maina milanja 600 grama sy Héroïne na rôrô 3 grama aru fitaovana fidorohana maromaro, no tratra teny amin’izy ireo.

Fanadihadiana

Taorian’ny nahitana ireo zava-mahadomelina ireo dia niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana ny zandary. Fantatra tamin’izany ary ary fa manana saha fambolena rongony ao Ambavahadivato, fokontany Mandraka, ao amin’ny Kaominina Ambatolaona izy ireo. Ny fambolena izay ataon’izy ireo ao amin’ilay saha io no hahafan’izy ireo mamatsy ny dsitrikan’i Manjakandriana iray manontolo.
Rongony 45 fototra sy zanaka rongony 5 fototra, izay milanja eo amin’ny 4 kilao eo no nongotana sy nogiazan’ny tobim-paritra Manjakandriana sy ny zanatombim-paritra Ambatolaona. Tamin’izany dia nosamborina ihany koa ireo mpiandry tanàna sy ireo mpambony ny rongony.
Rongony efa maina 400 grama, métamphétamine 500 trama sy rôrô milanja 3 grama ihany koa, miampy fitaovana fidorohana zava-mahadomelina am-polony maro no tratra tao amin’ny trano iray tao Besarety, izay marihina fa tranon’ireo roalahy nitaingina moto nosamborina voalohany.
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ireo zandary sy ny mpitandro ny fliaminana amin’ny fiadiana amin’ny zava-mahadomelina, izay fanetriben’ny fiarahamonina tokoa.

Lire la suite

Articles Similaires