• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Andravoahangy : Misy mively hazo ny mpandeha moto

19/06/2023 12:05 © Midi Madagasikara

Telo lahy izy ireo ary mitondra hazobe. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina ny zoma teo no nisy nively hazo tampoka ny lehilahy iray nandeha kodiandran-droa tamin’ny lalan’Andravoahangy izay miakatra eny Anjanahary.

Voa mafy izy raha tsy nanao aroloha amin’ilay tsara kalitao. Na izany aza anefa dia nianjera niaraka tamin’ny moto. Tafatsangana haingana ary mba nahavita niala faran’izay haingana teo an-toerana ka afa-doza araka izany. Miady mafy hatrany ny mpandeha kodiaran-droa ankehitriny noho ny afitsoky ny jiolahy, indrindra raha vao maizina ny andro.

Mora amidy izy ireny ary izay no antony mandrisika ireo olon-dratsy hizotra any amin’ny halatra moto indray. Efa betsaka ihany izay tratra izay fa mbola maro koa ny sahy manao izany. Eraky ny tambajotran-tserasera dia misy fizaràna sary moto very hatrany, saika isan’andro. Indraindray aza, ho an’ireo toerana voaara-maso amin’ireny “camera de surveillance” ireny dia hita hatramin’ny tarehin’ilay mpangalatra sy ny fomba nanatontosany an’izany. Ny olana dia tsy mbola misy tambajotra sy teknolojia miray tendro mba hahafahana mamatantra ny olona sy ny adiresiny eto amintsika ary lasa manahirana ny fitadiavana ny olon-dratsy izany. Mba tokony ho efa miompana amin’ny fahazoana fitaovana hahafahana mitahiry ny mombamomba ny olona tsirairay avy amin’izay amin’izao vaninandro ankehitriny izao, satria be loatra ny raharaha lasa vitavita mora ho azy eny noho ny tsy fahitàna ny momba ny olon-dratsy.

Voatery mijanona amin’ny fomba fanao taloha be ny mpanao fanadihadiana dia ny fihainoana ny fiaraha-monina na fihainoana ny jiolahy hafa izay matetika efa any am-ponja izay vao mety hahafantatra ny momba ny olona tadiavina. Mila fotoana izany ary mety ho diso olona koa. Mila mizotra any amin’ny fampiasana teknolojia raha te-hampitombo vokatra.

Lire la suite

Articles Similaires