• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Ankazobe : Hahazo ivon-toeram-panofanana (CFP) ny ao Mahavelona

16/06/2023 15:34 © Moov.Mg

Anisan'ny mampitaraina ny vahoaka malagasy, indrindra ny tanora, ny fitadiavana asa. Izany indrindra no anatanterahan'ny ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa ezaka ny amin'ny hijerena manokana ny kaominina tsirairay, indrindra moa ny any ambanivohitra.

Nitsidika ny kaominina ambanivohitra Mahavelona, distrikan'Ankazobe, ny ekipan'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa, notarihin-dRamatoa Minisitra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella. Votoanton'ny fitsidihana ny fihaonana tamin'ireo fikambanam-behivavy sy tanora tany an-toerana, ahafahana manatanteraka fanofanana faobe arak'asa. Nisy ny fifanakalozan-kevitra nahafahan'ny ministera nandray an-tsoratra izay fanirian'ireo mponina any an-toerana mikasika ny asa.
Hahazo ivon-toeram-panofanana (CFP) moa ny ao Mahavelona. Hisy araka izany ireo mpampiofana matihanina hampita fahalalana ho an'ireo liana amin'izany. Ny tanjona dia ny hanamorana ny fananana asa, indrindra ny firosoana amin'ny "asa tena" mahavelona ny ankohonana. Ampahatsiahivina fa manatanteraka ny velirano faha-6 napetraky ny filoham-pirenena izany tetikasa izany : "fanomezana asa mendrika ho an'ny rehetra".
Nandritra ny fitsidihana dia nahazo fanampiana ireo zokiolona tany Mahavelona. PPN moa no natolotra azy ireo tamin'izany.

Lire la suite

Articles Similaires