• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Bizna drogue : Nidoboka am-ponja ireo nizeriana

16/06/2023 11:15 © Midi Madagasikara

Teratany nizeriana roa sy Malagasy iray no nidoboka am-ponja noho ny fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina avo lenta.

Avo lenta satria ireny “métamphétamine” izay vidina an-tapitrisany ny girama no sehatra ilalaovan’izy ireo. Ilay vehivavy Malagasy dia sipan’ny iray amin’ireo nizeriana no koa sady ampiasaina amin’ny fitadiavana mpividy.

“Angom-baovao voarain’ny polisy no nahalalana fa mpanaparitaka zava-mahadomelina aty an-drenivohitra izy telo ireto ka ilay vehivavy malagasy izay sakaizan’iray amin’ireto nizeriana no mitady mpividy ary ireo nizeriana kosa no miandraikitra ny varotra”, raha araka ny fanazavan’ny polisy. Aty an-drenivohitra no misy ny mpanjifa fa any Ambohidratrimo kosa izy ireo no mipetraka. Nosavaina ny tranon’izy ireo ary nahitàna ireo zava-mahadomelina maro. Teo ihany dia notontosaina ny fisamborana ary nanokafana fanadihadiana izy telo. Niakatra fampanaovana ary samy nidoboka am-ponja ao Antanimora avokoa.

Miparitaka amin’ny endriny maro eto an-drenivohitra ny varotra zava-mahadomelina. Ny tena mampanahy dia tsy fantatra intsony ny ao anatiny, indrindra ireny “rôrô” ireny. Raha ny vidin’ny tena zava-mahadomelina mahery vaika (cocaine, heroine, métamphétamine, crac) mantsy dia tsy ho taka-bidin’ny tanora izay tena maro tafiditra ao anatiny satria manodidina ny telo tapitrisa ny girama. Eo indrindra no mampanontany tena maro ny amin’izay mety ho fangaro ao anatin’ireny “rôrô” izay miparitaka etsy sy eroa ary amidy manodidina ny 5.000ariary.

Mendrika ny mba mba hotsirihina ny fangaro ampiasain’ireo mpanao ratsy azy ireny satria efa miparitaka loatra kanefa mety ho poizina tanteraka ho an’ny fahasalamana. Efa betsaka ihany mantsy ny tanora tafiditra ary sahirana vao tafavoaka, ary nisy koa ny namoy ny ainy. Loza manambana tanteraka…

Lire la suite

Articles Similaires