• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tsiroanomandidy : Dahalo nanafika cash point no maty voatifitra

15/06/2023 16:45 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny asa ratsin’ireo daholo sy jiolahy. Manohy ny ezaka amin’izany asan-dahalo izany hatrany ihany koa anefa ireo mpitandro ny filaminana.

Fanafihana sy fifanenjehana

Trangana fanafihana cash point iray indray no niseho tao Tsiroanomandidy. Omaly talata 14 jona tamin’ny 01 ora atoandro teo ho eo no nisehoan’ity asan-dahalo ity. Cash point tao Amboniavaratra, fokontany sy kaominina Ambararatabe Distrikan’ny Tsiroanomandidy no notafin’ireto jiolahy ireto. Vokatr’izany, lasan’ireto farany ny lela-vola mitentina valo hetsy sy roa tapitrisa ariary. Vantany vao niseho ny tranga dia niantso avy hatrany ny tobim-paritry ny zandarimaria ilay voaendaka. Vetivety taorian’izay dia tonga ireo zandary, izay marihina fa nampian’ireo miaramila avy amin’ny tafika.
Nanomboka teo ary ny fifanenjehana ka tsy lasa alavitra kosa ireo jiolahy dia efa voatifitry ny zandary tao Ampolomita Avaratra Fokontany Ambararatabe ny iray tamin’izy ireo. Kelikely tao aorian’izay dia voatifitry ny miaramila avy eo amin’ny tafika ihany koa ny iray hafa. Fantatra ary fa Randriatia Famonjena Frédéric Catien, lehilahy 24 taona, izay monina tao Tsianolondroa Fianarantsoa II ny iray tamin’ireo jiolahy roa. Ilay faharoa kosa dia tsy nisy nahafantarana azy teny aminy, ka noho izany dia tsy fantatra ny momba momba azy.

Fiaraha-miasa

Efa tafaverina tany amin’ny tompony ireo vola mitentina valo hetsy sy roa tapitrisa ariary rehefa lavon’ny mpitandro ny filaminana ireo jiolahy. Manentana ny rehetra ary ireo zandary sy ny miaramila, mba hiantso avy hatrany vao misy trangana toa izao. Manampy amin’ny fanenjehana ireo mpanao ratsy izany ary ahafahana manamafy ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
Miantso ny rehetra hifanampy sy hifanome vaovao ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Zava-dehibe ihany koa ny fifanomezan-tànana amin’ny fotoana toa izao.

Lire la suite

Articles Similaires