• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Rovan'i Madagasikara : Hisokatra ny alatsinainy 19 jona 2023

15/06/2023 14:51 © Moov.Mg

Tsindrian-daona avokoa ny vahoaka Malagasy, indrindra fa ny mponin'Antananarivo, hitsidika indray ny Rovan'i Madagasikara. Andro sisa no isaina dia ho azon'ny rehetra atao ny miditra ao anatin'izany vakoka manan-tantara izany.

28 taona aty aorian'ny nahamay sy nampirodana azy tanteraka dia hisokatra indray ny Rovan'i Madagasikara.

Fandresen'ny vahoaka Malagasy

Amin'izao ankatoky ny fetin'ny fahaleovantena izao, ny fanokafana azy dia mariky ny fitodihana amin'ny ho avy tsara kokoa sy mariky ny fiandrianampirenena. Mariky ny fandresena ny nahavitana nanarina azy sy hanokatra azy indray ho azon’ny besinimaro tsidihana, mariky ny fandresena satria tamin’ny fanafihan’ny frantsay hanjanan-tany teto Madagasikara dia teo amin’ny Rovan’i Madagasikara no anisan'ny nanehoana fa resy isika. Hisokatra ho an’ny rehetra ny Rovan’i Madagasikara manomboka ny alatsinainy 19 jona 2023 izao, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy androany 15 jona. Ny alahady 18 jona izao no hitokanana ny fanarenana rehetra vita tamin’ity Rova ity; izay simba sy tsy voarina tao anatin’ny 28 taona, hatramin’ny namay azy tamin'ny volana novambra 1995.
Araka ny tantara, natsangana tamin'ny taonjato faha-19 ny Rova. Toerana nipetrahan'ireo mpanjaka fahagola moa io toerana io. Eny amin'ny La Haute-Ville na eny amin'ny tampon'ny havoanan'Analamanga moa no misy azy. Mora tokoa ny mahatazana azy avy eny Mahamasina, Tsimbazaza, Ambanidia sy eny amin'ny lalam-baovao eny amin'ny lalam-pirenena faharoa (RN2).

Vakoka manintona mpizahantany

Azon’ny rehetra tsidihina ao anatin’izany ny rihana telo ao amin’ny Lapan’i Manjakamiadana, izay ahitana mozea fampirantiana singa avy amina faritra samihafa, ny fitaovana nampiasain’ny Mpanjaka, ny fitaovan'ny mpanjaka nampodina an-tanindrazana, fampisehoana an-tsary ny tantaram-pirenena ary tranomboky sy arsiva. Azo tsidihina koa ny lapa Besakana sy Mahitsielafanjaka ary ny Fiangonana tranovato anatiRova. Azo jerena koa ny kianjan’Andrianjaka sy ny Fasan’ny mpanjaka ary ny firafitry ny lapa Tranovola sy Manampisoa avy aty ivelany. Hisokatra ho an’ny rehetra koa, ankoatra izay, ny kianja Masoandro izay anaovana fampisehoana an-tsehatra ny tantara faha mpanjaka.
Tsy ny vahoakan'Antananarivo ihany no hahazo tombony amin'ny fisokafan'ny Rovan'i Manjakamiadana. Azon'ireo avy any amin'ny faritra tsara ny mitsidika io toerana manan-tantara io rehefa miala sasatra eto an-drenivohitra. Tsiahivina ihany koa fa anisan'ny manintona mpizahantany ny "Palais de la Reine". Antenaina araka izany ny fiakaran'ny isan'ireo vahiny mitsidika an'i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires