• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Lalàna mifehy ny asa : Firenena faha-5 nankato ny fametrahana ny rariny ara-tsosialy i Madagasikara

15/06/2023 14:31 © Moov.Mg

Androany 15 jona 2023 no nandray fitenenana tao amin'ny Fihaonambe Iraisam-pirenena ho an'ny asa andiany faha-111 ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nanao sonia ireo fifanarahana ampiharana ny rariny ara-tsosialy ho an'ny mpiasa rehetra i Madagasikara.

Nankatoavina sy nataon'i Madagasikara sonia avokoa ny fifanarahana fototra rehetra eo anivon'ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Asa (OIT). Madagasikara araka izany no firenena faha 5 nankato ireo fifanarahana rehetra ireo ary anisan'ny mpisava lalana amin’ny fametrahana ny rariny ara-tsosialy, indrindra amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny asa.
Izany no nivohitra tamin'ny fandraisam-pitenenan'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina androany nandritra ny andiany faha-111 ny Fihaonambe Iraisam-pirenena ho an'ny asa izay notanterahina tao amin’ny Palais des Nations, Genève. Laharam-pahamehana ho an'ny Fitondram-panjakana malagasy hoy izy ny fanomezana asa mendrika ho an'ny rehetra ary efa maro ireo dingana vitan'i Madagasikara amin'ny fanaovan-tsonia ireo fifanarahana maro ho fanatsarana ny tontolon'ny asa.

Fitsinjovana ireo mpiasa sy ny ankohonany

Mitohy hatrany izany ezaka izany amin’ny nanaovana sonia fifaranarahana efatra vaovao dia ny fifanarahana C155 mikasika ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny mpiasa any amin’ny toeram-piasana, ny fifanarahana C187 mikasika ny drafitra lasitra entina mampiroborobo ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny mpiasa any amin’ny toeram-piasana, ny fifanarahana C161 mikasika ny sampan-draharaha misahana ny fahasalamana eny anivon’ny toeram-piasana ary ny fifanarahana MLC 2006 momba ny sata mifehy ny asan'ireo mpiasa an-dranomasina.
Niantso ny fiaraha-mientana iraisam-pirenena ny Filoham-pirenena mba hanamafisana ny ady amin’ny tsy fitovian-jo eo amin'ny tontolon'ny asa sy ho fanohanana ireo ezaka amin'ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra.

"Adidintsika ny mifanome tanana mba hametrahana ny rariny ara-tsosialy tena izy sy ny asa mendrika dia mba ho zo fototra ho azo sitrahan'ny taranaka any aoriana", hoy ny Filoha Andry Rajoelina.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires