• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

COVID-19 : Mikatona manomboka anio ny CTC Village Voara

15/06/2023 11:43 © Moov.Mg

Araka ny efa fantatra tamin’ny herinandro lasa teo dia hikatona tanteraka ny ivon-toerana fitiliana sy fandraisana an-tànana ireo olona mararin’ny COVID-19.

Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Ministra omaly ary fa hikatona manomboka anio ny Village Voara Andohatapenaka, noho ny efa fihenan’ny isan’ireo mararin’ny COVID-19.

Fandriasana an-tànana ny marary

Raha tsiahivina dia ny taona 2020 no nosokafan’ny filoham-pirenenana, Andry Rajoelina, tamin’ny fomba ofisialy ny CTC Village Voara Andohatapaneka. Napetraka izany mba nahafahana nitily sy nandray an-tànana ireo nampiseho soritr’aretin’ny COVID-19. Maimaim-poana avokoa na ny fitiliana, na fitsaboana ireo marary.
Zava-dehibe tokoa ny fisian’ireo CTC fandraisana ny marary satria efa an-tapitrisany maro no voan’ny COVID-19 indrindra indrindra nandritra ny taona 2020 sy ny 2021. Tsy naharaka ny isan’ny marary ireo hopitalim-panjakana lehibe, koa izay no anisany antony nametrahana ireo CTC. Ankehitriny anefa dia efa azo lazaina ho voafehy ny aretina, koa tsy ilaina intsony ny fisokafan’ny CTC Village Voara Andohatapenaka, izay marihina fa CTC farany nisokatra rehefa tapitra nihidy avokoa ireo CTC hafa rehetra ny taona 2021.

Fihenan’ny isan’ny olona voan’ny COVID-19

Tao anatin’izay telo taona izay dia olona teo amin’ny 68 289 teo no fantatra fa nitondra ny tsimok’aretina, raha 1425 na 2,09% ny narary no nindaosin’ny fahafatesana, araka ny tarehimarika farany navoakan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny 04 Jona lasa teo. Ny taona 2020 noho nakaty dia 66 862 tamin’ireo narary no sitrana tanteraka, izany hoe 97,91%-ny marary.
Volana maromaro izay dia nahita fihenany hatrany ny trangana COVID-19. Araka ny resaka natao nandritra ny filan-kevitry ny Ministra omaly dia olona 1 hatramin’ny 4 isan-kerinandro eo sisa, raha be indrindra no mitondra ny aretina COVID-19 manerana ny Nosy. Noho izany dia nandray fanapahan-kevitra ny hanidiana ny CTC Village Voara ny avy teo amin’ny filan-kevitry ny Ministra ny 14 Jona. Na izany aza anefa dia mbola mitohy ny fitiliana mamaim-poana ny COVID-19 satria ho aparitaka manerana ny ny tobim-pahasalamana CSB rehetra manerana ny Nosy ny fitiliana TDR.
Entanina hatrany anefa ny rehetra mba samy hitandrina mba tsy hisian’ny firongatry ny aretina hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires