• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Trano may teny Ankatso : Nanolotra fanampiana ireo mpianatra ny BNGRC

14/06/2023 18:58 © Moov.Mg

Ny Sabotsy 10 Jona lasa teo no nitrangana fahamaizana trano teny Antsahameva Ankatso. Raha tsiahivina dia mpianatra eny amin’ny anjery manontolo miisa 32 izay nanofa io trano may io no traboina ankehitriny.

Taorian’ny fandalovan’ny solo-tena avy amin’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa dia tonga nanolotra fanampiana ihany koa ny avy eo amin’ny BNGRC. Na dia efa teo aza ny fanampiana vonjimaika izay natolotry ny ministera, sy ny fametrahana ireo mpianatra tamin’ny toerana vonjy maika dia nahatsiaro nanana adidy ihany koa ny BNGRC. Nisy indray araka izany ny fiaraha-miasa teo amin’ny ministera mpiahy sy ny BNGRC ho fanamafisana ny fanampiana ireo mpianatra 32 traboina ireo.
Entana sy fitaovana maro isan-karazany ilaina amin’ny fiainana andavanandro araka izany no nomen’ny BNGRC. Hita tao anatin’izany fanampiana izany ny vary fotsy 50 kg miisa 16 lasaka, ny menaka 32 litatra, ireo legioma 100 kg, farine 160 kg, siramamy 64 kg, savony 3 baoritra, lamba firakotra 32 isa, vilany 32 isa, lovia 96, sotro 96, kidoro 30, kahie 300. Raha fintinina dia natao hanampiana ireo mpianatra amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro ireo fanampiana nomen’ny MESUPRES sy ny BNGRC ireo.
Na dia tsy nisy aza ny aina nafoy dia mafy no hiainan’ireto mpianatra traboina. May tao anatin’ilay trano avokoa mantsy ny fitaovana rehetra, toa ny ankanjo sy ny fitaovam-pianarana.

Lire la suite

Articles Similaires