• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

ANALANJIROFO – Antanambe Mananara Avaratra : Afak’olana amin’ny resaka herinaratra

13/06/2023 08:32 © Midi Madagasikara

Misia ny mazava ! Tanteraka any amin’ny kaominina ambanivohitr’Antanambe, any amin’iny distrikan’i Mananara Avaratra iny ny Velirano faharoan’ny Filoham-pirenena, ny amin’ny hisitrahan’ny rehetra famatsiana herinaratra

Notokanana ny herinandro lasa teo mantsy ny milina mpamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina, amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro, izay manana tanjaka 175kw ary mamoaka 278,5 kva. Mahavita mamatsy tokantrano 604 ary olombelona 2942, raha toa ka 110 no efa mampiasa azy ity ankehitriny.

Marihina fa fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny orinasa tsy miankina no nahafahana nisitraka izany jiro izany, tamin’ny alalan’ny orinasa « We-light ». Tonga nitokana izany fotodrafitrasa tany an-toerana izany, ny Goverinoran’ny faritra Analanjirofo, Dr Randriamanantena Marcellin. Hanamora ny andavanandron’ny mponina ary hampihena betsaka ny lafiny tsy fandriam-pahalemana izao fahatongavan’ny fahazavana any an-toerana izao, hoy izy, nandritra ny fandraisany fitenanana.

Lire la suite

Articles Similaires