• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Hain-trano – Ankatso : Mpianatra 32 no traboina

12/06/2023 17:38 © Moov.Mg

Mpianatra eny anivon’ny anjery manontolo miisa 32 no traboina ankehitriny noho ny fahamaizan’ilay trano iray tetsy Antsahameva Ankatso.

Trano may

Ny sabotsy 10 Jona teo dia nitrangana fahamaizana trano tetsy Antsahameva Ankatso. Mpianatra eny amin’ny anjery manontolo miisa 32 izay nanofa io trano ireo araka izany no traboina. Fantatra ihany koa fa saika nandalovan’ny afo avokoa ireo efitrano miisa 12 nipetrahan’ireto mpianatra ireto.
Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy sy ny naratra, raha entana maro isan-karazany kosa no may kilan’ny afo nandritra izany fahamaizana izany. may tao anatin’izany ohatra ireo karazana fitaovana fampiasa amin’ny andavanandro toa ny vatsy (sakafo), ny fitafiana, ary ireo fitaovam-pianarana samihafa (kahie, mari-pahaizana, boky, solosaina).

Nanolotra fanampiana ny ministeran’ny Fampianara ambony

Manoloana ny voina izay nahazo ireo mpianatra 32 dia tonga nidina nijery ny zava-misy teny an-toerana ny solo-tena avy eo amin’ny ministeran’ny Fampianarana ambony. Na dia tsy tafiditra tao amin’ny tao anatin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra aza izao tranga famaizana izao dia nahatsiaro ho manana andraikitra ny ministera mpiahy azy ireo. Nisy, araka izany, ny fanolorana vatsy sy fanampiana ho an’ireo mpianatra, izay fanomezana avy amin’ny ministera.
Mba hamonjena ireo traboina ihany koa dia napetraka amina toerana vonjy maika aloha izy ireo. Nisy ihany koa ny fanangonana ny filàn’izy ireo hahafahana mamantatra ny tokony ho atao ho enti-manampy azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires