• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meah
Image
Vaovao

Faritra SOFIA : Tanàna teo any Befandriana Avaratra no misitraka rano fisotro madio

12/06/2023 17:00 © Moov.Mg

Anisan'ny imasoan'ny Fanjakana Malagasy sy ireo mpiara-miombon'antoka ny fampisitrahana rano fisotro madio ho an'ny besinimaro, indrindra moa fa ho an'ireo faritra mitoka-monina. Faritra telo ao amin'ny distrikan'i Befandriana Avaratra no nahazo paompin-drano.

Ankoatry ny Faritra DIANA, dia mahakasika ny Faritra SOFIA koa ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana sy ny mpamatsy vola Charity Water. Ny mpiara-miombon’antoka CRS kosa no mpanatanteraka amin’ny alalan’ny Tetikasa Zara Rano 4.

Tetikasa izay andalapanatanterahana ka nanome rano fisotro madio an’olona dimy arivo mahery ao amin’ny Distrikan’ny Befandriana Nord. Isan’ny hisitraka izany ny Fokontany Maroamalona, ahitana mpisitraka 1 735 izay nahazo paompin-drano 54. Manaraka azy ny Fokontany Ambalafotaka izay nahazo paompin-drano 49 ho an’olona 1 641. Ary ny farany ny Fokontany Tsarahonenana, ahitana olona 1 901 izay nomena paompin-drano 59 sy paompin-drano isatokan-trano 6.

Tontosa ny volana lasa teo ny fandraisana ara-teknika ireo fotrodrafitrasa ireo ary narahina fizarana fitaovam-pidiovana sy fanentanana.

Lire la suite

Articles Similaires