• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cirgn Antananarivo
Image
Vaovao

Sahanivotry : Lehilahy tratra nanolana … omby bevohoka

12/06/2023 07:36 © Midi Madagasikara

Ny herinandro lasa teo, lehilahy iray no nosamborin’ny fokonolona, tao Ambalamanasy, Sahanivotry, Antsirabe ary natolotra ny zandary. Ny antony : tratra am-bodiomby … tena ara-bakiteny ingahirainy.

« Olombelona lehilahy salama saina, tokony hahazaka sipa, tratran’ny fokonolona nanao fihetsika mamohetra sady mahamenatra tamina omby vavy iray, mitondraha vohoka fito volana » araka ny hita tao amin’ny tati-baovaon’ny zandary.

Mazava ho azy, hoy ireto farany, fa na tsy afaka ny hitory aza ilay « niharam-boina » dia tsy maintsy nandray andraikitra ny zandary, satria nisy fandikan-dalàna tao. Ambonin’izay, tsy an’ity « mpanolan’omby » ilay biby. Nanamafy moa izy ireo, fa voararan’ny lalàna velona tokoa eto amintsika ny fanaovana firaisana amin’ny biby. Azo raisina ho fihesika mamofady sy fihetsika mamoan-tsampona izany, araka ny andinin-dalàna famaizana.

« Ho faizina telo volana ka hatramin’ny roa taona an-tranomaizina ary sazy vola 20 000 Ariary ka hatramin’ny 200 000 Ariary izay nanao fihetsika mamoafady imasombahoaka », raha ny voalazan’io andinin-dalàna io. Notanana natao andrimaso avy hatrany moa araka izany ranamana ho amin’ny famotorana azy, taorian’ny nanolora ny raharaha ho eny an-tanan’ny Fitsaràna.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires