• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rts
Image
Vaovao

Toliara : Tovolahy iray nalana ny masony roa

11/06/2023 20:00 © Midi Madagasikara

Tovolahy iray 19 taona no nisy naka ny masony ny alatsinainy lasa teo, tany Tsiandamba, kaominina Tsifota Atsimo Andrefana.

Araka ny vaovao azo, teny an-dalana hamangy fianakaviana ho any Antseva ilay tovolahy no nentin’ireo olon-dratsy tany anaty ala. Nilaza ho nanohitra izy saingy nokapain’ireo olon-dratsy tamin’ny famaky ny hatony sy ny tanany. Taorian’izay no nendahan’ireo olon-dratsy ny masony.

Tsy nahafaty azy izany, saingy tena voa mafy izy. Telo andro nivezivezy tao anaty kirihitr’ala io tovolahy io vao tafavoaka velona. Ny Alakamisy teo no tonga tao amin’ny fokontany Antseva ka ny fokonolona no nampilaza ny fianakaviany. Novonjena ary nentina hopitaly avy hatrany. Velona sy manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly be Toliara moa ity tovolahy ity amin’izao fotoana izao. Efa misokatra ny fanadihadiana manodidina ity raharaha ity. Tranga izay nahazo vahana tanteraka ity fakana voamaso ity. Raha ny zaza varira no tena lasibatra teo aloha teo, izao indray na olon-tsotra aza.

Vao andro vitsy koa izay nisy tranga toy izao tany Atsimo ka nitarika ny fahafatesan’ilay olona mihitsy izany. Nisy koa faty tsy hita taova maromaro efa hita. Tsy mbola nisy ny fanazavana momba ireto tranga ireto avy amin’ny mpitandro filaminana. Atao inona ny maso ? Ny taova ? Tena dahalo sa olon-dratsy mampihorohoro ny olona any ambanivohitra. Andrasana ny fitohizan’ny fanadihadiana.

Lire la suite

Articles Similaires