• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Solarmad
Image
Vaovao

JIRAMA : Hanomboka hiverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra

11/06/2023 10:01 © Moov.Mg

« Tonga ny solika mavesatra ho an’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo », hoy ny avy eo amin’ny Jirama mampahafantatra ny mpanjifa.

Omaly alina no nilazan’ny ekipa teknikan’ny Jirama fa efa tonga ao Ambohimanambola ireo solika mavesatra ilaina amin’ny fampandehanana ny milina. Afaka ampiasaina avy hatrany izany solika mavesatra izany. Miroso amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny famokarana herinaratra ho an’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo, araka izany, ny eo anivon’ny orinasa Jirama.
Noho ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Jirama, ny orinasa LPSA ary ireo mpitatitra solika, dia mbola mitohy ihany koa ny fitaterana ireo solika mavesatra izay miainga avy any Toamasina ka mihazo an’Antananarivo. Nampahafantatra ny Tale Jeneraly lefitra misahana ny herinaratra eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo, Marcel Ramaroson, fa « noho ny fahataran’ny Kamiao no nahatonga ny olana mbola tsy nivaha ny Zoma lasa teo ». Raha tsiahivina tokoa manko dia efa tokony tamin’ny Zoma teo no nivaha ny olana mahakasika ny famatsiana herinaratra, fa noho ny fahataran’izany kamiao mpitatitra izany, dia omaly alina vao namerina nampilaza indray ireo teknisianina fa tokony hivaha miandalana amin’izay ny olana amin’ny resaka fahatapahan-jiro miodina.
Etsy an-dàniny dia efa very fanantenana ny ankamaroan'ireo mpanjifa, noho ny fitarazohan'ny famahana ny olana. Efa herinandro maro tokoa mantsy izay, no niainan’ny vahoaka tao anatin’ny fahasorenana noho ny fahatapahan-jiro lavareny. Amin’izao ankatoky ny fety izao dia manantena ny fiverenan’ny fisitrahana ny herinaratra amin’ny laoniny ny mpanjifa.

Lire la suite

Articles Similaires