• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ady amin’ny « rôrô » : Ramatoa iray voasambotra tetsy Antohomadinika

02/06/2023 09:19 © Midi Madagasikara

Efa tsy zoviana amin’ny mpitandro filaminana intsony, indrindra fa ireo eo anivon’ny polisy miady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy, iny faritra Antohomadinika iny amin’ny resaka rongony, ary tato ho ato dia ireo rongony mahery vaika.

Tamin’ity indray mitoraka ity, taorian’ny fanomezam-baovao azon’izy ireo no nahafantarana vehivavy, 33 taona izay fantatra fa isan’ireo mpamatsy ireo mpidoroka sy mpitsindrona teny an-toerana. Nisy avy hatrany ny fidinana teny ifotony, nanaovana ny fanaraha-maso ary nametrahana fandrika ho an’ity vehivavy. Tsy afa-niala ary tra-tehaka ambodiomby mihitsy ikala, teo am-pivarotana rôrô. « Nahitana roro 0,78grama teny aminy nandritra ny fisamborana azy. Misy olona mamatsy, manatitra izany entana izany ao aminy. Vidiany 100.000ar ny iray grama zaraina 15 isa, amidy 10.000ar ny fonosana kely iray. Rehefa lafo ny entana vao maka indray ny tenany no sady mandoa vola ».

Vao haingana ity vehivavy no niditra teo amin’ity sehatry ny famarotana rôrô ity. « Iray volana sy tapany no nanaovany ity asa ity, herinandro no andaniany ny iray grama. Araka voalazany, amin‘ny ankapobeany dia lehilahy avokoa ireo mpanjifa izany ary tanora avokoa no ankamaroany », hoy hatrany ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny polisy. Marihina fa omaly no natolotra ny Fampanoavana ity vehivavy ity. Ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-madomelina kosa mbola mitohy hatrany ary hangatahan’ireo mpitandro filaminana fiaraha-miasa amin’ny rehetra.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires