• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ambassade Eu À Madagascar
Image
Vaovao

Masoivoho Amerikana: Fankalazana ny faha-247 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

01/06/2023 19:45 © Moov.Mg

Ho an'ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara, notontosaina androany tolakandro tetsy Ambaranjana ny fahatsiarovana ny faha-247 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia.

Vory lanona ireo olo-manan-kaja maro androany 1 jona 2023. Fanasana goavana no nokarakarain'ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara anamarihana ny faha-247 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia. Tazana teny Ambaranjana ireo Diplomaty, ireo depiote, ireo Minisitra, ireo mpanao politika ary ireo olona manan'andraikitra ambony eto amin'ny firenena. Ny filohan'ny kabinetra eo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika, Romy Andrianarisoa, no nisolo tena ny filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara. Nanotrona ny fankalazana ihany koa ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina.

Fankalazana ny faha-150 taonan'ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy Etazonia

Anisan'ireo firenena notsongaina manokana nanatanterahana ny fankalazana i Madagasikara. Efa maherin'ny 150 taona tokoa mantsy no naha-mpirahalahy mianala ny firenena roa tonta. Na ny Ambasadaoro Claire Pierangelo, na ny minisitry ny raharaham-bahiny Yvette Sylla, dia samy nanamafy fa misy anisan'ny mpanohana matanjaka an'i Madagasikara i Etazonia amin'ny lafiny maro : toe-karena, fampianarana, fanajariana ara-tsakafo, fahasalamam-bahoaka, fandriam-pahalemana ary fiarovana ireo harena sarobidy sy biby mitady ho lany tamingana. Singanina manokana amin'izany ny fandraisan'i Etazonia ny lamba sy ny lavanila eto Madagasikara, izay miditra tsy misy hetra any amin'ny tsena amerikana.
Nanamafy ny Ambasadaoro Claire Pierangelo fa mbola vonona hatrany ny governemanta amerikana hitondra ny anjara birikiny amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara, indrindra moa fa amin'izao ankatoky ny fifidianana izao.

Fiaraha-miasan'ny Tafika Malagasy sy Amerikana

Araka ny efa voalaza, manohana ny Tafika Malagasy i Etazonia mba hiadiana amin'ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny nosy. Tsy izany ihany, misy ireo miaramila misitraka fampiofanana na fampitaovana iatrehan'izy ireo ny asany. Misy miaramila mianadahy avy eto Madagasikara hihazo an'i Etazonia hihatrika ny fampiofanana mikasika ny fahaiza-mitarika any amin'ny US Naval Academy sy ny US Coast Guard Academy.
Amin'ny herinandro ho avy io, handray anjara amin'ny fikarakarana ny fanavaozana ny foibe fibaikoana an-dranomasina any Antsiranana ny Masoivoho Amerikana.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires