• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama_Ofisialy
Image
Vaovao

Mandray mpanjifa manomboka anio ny shop Jirama Antanetibe Talatamaty

01/06/2023 14:23 © Moov.Mg

Nisokatra nanomboka anio ny shop Jirama vaovao etsy Antanetibe Talatamaty.

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano faharoa an’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina izao, izay miompana amin’ny fametrahana « Angovo sy rano fisotro madio ho an’ny rehetra ».

Fiovan-toerana

Manomboka izao dia hiova teorana ihany koa, ary hitambatra amin’ity shop vaovao ity, ireo asa niandraiketan’ny masoivoho Jirama Ambodimita teo aloha. Raisina an-tànana eny anivon’ity shop vaovao ity avokoa manomboka izao ireo mpajifa sy ireo asa aman-draharaha rehetra izay nosahanin’ity masoivoho teo aloha ity.
« Na izany aza anefa dia mbla misokatra hatrany ireo caisses ao amin’ny masoivoho Ambodimita teo aloha sy ireo sous-caisses eny Ivato sy Ambohidratrimo », hoy ny jirama nampahafantatra.
Indro zaraina aminao ihany koa ny ora fisokafan’ireo sous-caisse sy shop Jirama hita any amin’iny faritra iny :

Sous caisse Ambohidratrimo = amin’ny 07 ora sasany maraina hatramin’ny 01 ora tolakandro

Sous caisse Ivato = amin’ny 07 ora sasany maraina hatramin’ny 02 ora tolakandro

Sous caisse Ambodimita = amin’ny 07 ora sasany maraina hatramin’ny 02 ora tolakandro

Shop Antanetibe Talatamaty = 07 ora sasany maraina hatramin’ny 04 ora sasany hariva

Asa manakaiky vahoaka

Ny fisokafan’ity shop Jirama vaovao ity dia fomba iray entin’ny orinasa manatsara ny tolotra omeny ny mpanjifa. Miezaka izy ireo hanakaiky bebe kokoa ny vahoaka, fa ihany koa hanamora ny fisitran’ireo mpanjifa ny tolotra rehetra omen’ny orinasa. Fomba iray ihany koa io hanatsarana ny toeram-piasan’ireo mpiasa mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa.
Tanjona amin’ny fisian’ity shop Jirama vaovao ity ihany koa ny hanampiana ireo mpanjifa amin’ny resaka fampidirina jiro sy rano. Tafiditra tanteraka ao anatin’izany fanamorana ny fanjifana ny tolotra omen’ny Jirama izany ohatra ny fametrahana ny « standard de service » sy ireo « chargés de clientèle polyvalent ». Hisy ihany koa ny fampiasana « guichet unique de branchement » izay hanampy tokoa ireo maniry ny hisitraka ny « branchements » mora sy ny « branchements standards ».
Nanomboka omaly tokoa, raha tsiahivina, fametrahana ny branchements mora ho an’ireo nisoratra anarana. Tokatrano 14 isan’andro no kendren’ny masoivohon’ny jirama tsirairay hametahana ny kaontera mifandraika amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires