• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Anatihazo Isotry : Mpitsindrona rôrô manendaka, nifanenjehan’ny pôlisy

01/06/2023 09:44 © Midi Madagasikara

Rehefa tsy mahita hividiana rôrô ry zalahy dia lasa manendaka. Teny amin’iny faritra Anatihazo Isotry iny, nisy telo lahy tamin-dry zalahy mpidoroka ireto no nifanehatra tamin’ny pôlisy, ny andron’ny talata lasa.

Nitsoaka avy hatrany nitsoaka avy hatrany izy ireo raha vao nahatazana ireo mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanenjehana, hatrany anaty elakelan-trano rehetra tany. Ny iray voasambotra, ny roa tafatsoaka.

Misy hatrany ny fitarainana azon’ny teo anivon’ny kaomisarian’ny boriboritany fahefatra mahakasika ny afitsok’ireo tontakely eny amin’io faritra voalaza etsy ambony io. Nanantateraka fisafoana, andro antoandro araka izany ny pôlisy ary nahatsikaritra ireto telo lahy hafahafa fihetsika, miandriandry anaty elakelan-trano. Efa nahavita ny asa ratsiny izy ireo, hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy ary mbola nikasa ny hamerina izany. « Niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany moa ireo tomponandraikitry ny filaminana. Telo lahy izy ireo no niaraka ka nandositra avy hatrany ny roa lahy raha vao nahatsikaritra ireo polisy. Noraisim-potsiny kosa ny iray taorian’ny fifanenjehana»

Efa tsy zoviana amin’ireo pôlisy intsony ity tovolahy 22 taona voasambotr’izy ireo ity. Fanta-daza ary efa nampitondra faisana olona maro teny amin’iny faritra manodidina. « Efa mpamerin-keloka amin’ny asa ratsy toy izao izy » hoy hatrany ny fanazavana azo. Ny famotorana savaranonando nataon’ireo mpanao fanadiahadiana no nahafantarana fa mpidoroka hikoizana ihany koa ingahirainy ary mpitsindrona rôrô. « Tsikaritra ihany koa fa misy diana seringue, fitsindromana roro ny sandriny nandritra ny fisamborana azy ». Ity zava-mahadomelina mahery vaika ity, izay efa fantatra fa mampitondra faisana ny ankabeazan’ny tanora ihany koa, ary mandrisika ny tsy fandriampahalemana amin’ireo faritra maro eto an-drenivohitra. Efa eny am-pelatanan’ny pôlisy moa ingahirainy ary mitohy ny fanadihadiana azy, entina hikarohana ireo namany.

Lire la suite

Articles Similaires