• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Ministeran'ny Tontolo Iainana : Tontosa ny fihaonana tamin'ireo solombavambahoaka

01/06/2023 04:08 © Moov.Mg

Tontosa omaly 31 may ny fihaonana teo amin’ireo Solombavambahoaka sy ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, notarihan-dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa, tao amin'ny lapan'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza.

Nandray fitenenana teo anatrehan'ireo solombavambahoakan'i Madagasikara ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Nanatontosa tatitra mikasika ny zavabitan’ny MEDD nanomboka ny taona 2019 h@ volana Mey 2023 ny tenany. Izany moa dia fanaporofoana ny fanatanterahana ireo tetikasa mifandraika amin’ny Velirano faha-10n'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina : “Fitantanana maharitra ny harena voajanahary”.

Ireto avy ireo lohahevitra novelabelarina tamin'izany. Miisa 7 izany :
itantanana sy ny fandrakofana ala
-Paikady entina nisorohana ny tsy fahampiana’ny olona amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary;
-Ady amin’ny fiovan’ny toetrandro
-Fampiroboroboana ny fandrosoana lovainjafy
-Ady amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary
-Fampahafantarana – Fanabeazana – Serasera sy fifandraisana
-Toro hay ara-tontolo iainana

Fambolen-kazo sy fanamafisana ny fiarovana ireo faritra arovana

Nasongadina manokana ihany koa ny nametrahana “pépinières géantes” miisa 5 tamin’ny faritra miisa 5 ny taona 2022-2023 izay mamokatra zanakazo 1 tapitrisa isanisany avy ary ny 17 ambiny dia hapetraka mialohan’ny taom-pambolen-kazo manaraka. 98,58% ny tanjona napetraka 75 000ha no tratra ny taona 2022.
Nanomboka tamin’ny taona 2019 hatramin'ny taona 2023 dia nahitana fitomboana 42% ihany koa ny velaran-tanin’ireo faritra arovana, izay mandrakotra ny 16% ny velaran-tanin’i Madagasikara ka nahatratra 9 922 565 ha izany, raha 7.000.000 ha mahery izy talohan’ny taona 2019.

Tsy adino ny nampahafantatra ireo solombavambahoaka ny ezaka amin'ny ady amin’ny afo. Narahina fampitaovana ireo chef cantonnement moa izany ka nonolorana moto miisa 20, combinaisons anti-feux ho an'ny komity miady amin'ny afo,...

Lire la suite

Articles Similaires