• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Sabotsy Namehana : Fiara nivadibadika, zazakely iray namoy ny ainy

31/05/2023 08:52 © Midi Madagasikara

Aina tsy manan-tsiny iray no nafoy ary olona telo hafa no naratra mafy. Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina nitranga ny alatsinain’ny Pentekôsta lasa teo, tamin’iny lalana nihazo an’i Sabotsy Namehana sy Manandriana Avaradrano iny.

Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenana dia vokatry ny fandehanana mafy sy ny fandraisana zava-pisotro nisy alikaola no nahatonga ny loza. Raha ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy dia handeha hiakatra any Sabotsy Namehana, avy nitsangantsangana ireo fianakaviana ireo no niseho ny loza. Nahazo lala-mahitsy izay izy ireo ka nanitsaka mafy dia mafy ny mpamily. Tao anatin’ny fotoana fohy anefa, tsy voafehy intsony ny fiara ary namantana avy hatrany tany amin’ny rindrin-tany na talus, raha nisy fiolanana tampoka. Zava-doza no niseho taorian’izay. Rehefa avy nidofotra tamin’io rindrin-tany io ny fiara dia nivadibadika nony avy eo. Simba tanteraka tsy nisy azo noraisina ity fiara tsara tarehy, nanindry sy namadika ireo olona tao anatiny ihany koa, izay nahitàna zaza vao roa taona monja. Nandriaka ny rà ary samy naratra sy voa mafy avokoa ireo rehetra tao fiara. Nifamonjena avy hatrany ireto farany, izay voatery nosikirina tao anatin’ilay karao-by. Ny zandary, vantany vao nahazo fampandrenesena dia nidina avy hatrany teny an-toerana. Ary nifanampy tamin’ny famonjena ireo naratra. Teny an-dalana hamonjy ny hôpitaly no indrisy fa namoy ny ainy ilay zazakely, hoy ny vaovao azo. Ireo olon-dehibe telo hafa tao anatin’ilay fiara kosa dia efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa. Tamin’ny famotorana voalohany nataon’ireo mpitandro filaminana no nahafantarana fa vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily no nahatonga ny loza. Ankoatra izay, vonton’ny alikaola ihany koa ny mpamily ka tsy nahafehy intsony ny familiana. « Aorian’ny fitsaboana azy dia hiroso amin’ny fanadihadiana ny zandarimaria ary handraisana fepetra hentitra », hoy hatrany ny fampitam-baovao. Marihina fa niezaka hatrany nisoroka ny mety hisian’ny loza tahaka izao ny teo anivon’ny zandary, izay nijoro sy nampitandrina ireo mpampiasa lalana rehetra, nivoaka ny renivohitra. Nisy mihitsy aza, tamin’ireo lalana sasantsany ny fisavàna ny tahan’alikaolan’ireo mpamily handeha hody. « Ho an’ny rehetra kosa dia entanina foana mba handà tsy hampitondra fiara na hoentin’ny mpamily efa hita fa nandray zavapisotro mahamamo. Matetika dia ny mpandeha tsy manan-tsiny foana no iharan-doza fa ny mpamily tsy maintsy tafavoaka velona hatrany »

m.L

Lire la suite

Articles Similaires