• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Asa soratra Malagasy : Misokatra ny fankalazana ny faha-100 taonan'i RADO

30/05/2023 17:05 © Moov.Mg

Feno 100 taona amin'ity taona 2023 i Georges Andriamanantena raha mbola velona. Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny efitrano RADO ao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara io maraina io ny fankalazana izany.

Georges Andriamanantena, na Rado, dia anisan'ny mpanoratra sy poeta sangany teto Madagasikara. Na dia efa nodimandry aza ny tenany, mbola mitoetra ireo asa sorany. Ampahatsiahivina fa anaty fandaharam-pianarana mihitsy ny ankamaroan'ireo boky nosoratany. Tsy adino ireo tononkalony izay hirainain'ireo fiangonana isan-karazany.
Nisy ny fijoroana vavolombelona mikasika an’i Rado nataon'ireo mpanakanto nifanerasera taminy, dia i Henri Ratsimbazafy sy i Fara Andriamanjato, izay nikalo ny hira noforoniny ihany koa nandravahana ny fotoana.

Hiram-bavaka

Tsy avela handalo foana izao fahatsiarovana ny faha-100 taonan'i Rado izao. Hatao tsangam-bato ny boky mitondra ny lohateny hoe "Hiram-bavaka", izay mirakitra ireo tononkalo nosoratany sady namoronan'izy tenany feony ka tonga hira. Nanambara i Andry Andriamanantena zanany fa efa tamin'ny 1993 i Rado no naniry hamoaka izany boky izany. Efa telopolo taona araka izany no nanomana ity boky ity ary mankasitraka ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina izy amin'izao tolo-tànana lehibe amin'ny fanontana azy izao.
Nanamarika koa Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa mpanoratra ankafiziny indrindra i Rado noho izy tia tanindrazana, tia ny teny malagasy ary tia an'Andriamanitra, ka hita taratra any anatin'ny tononkalony ireny.
Ankoatra ny hetsika teto amin'ny efitrano RADO, dia mikarakara fampirantiana manokana momba azy eny amin'ny TRANO SARY Ambohidahy mandritra ny volana jona koa ny Minisitera, ary azon’ny besinimaro tsidihina. Ho hita ao ankoatra ny sary pika sy ny asa sorany, ireo horonan-tsary maro misy an'i Rado fony fahavelony. Ho hita ao ihany koa ireo talenta maro hafa nananan'ity Poeta ity tahaka ireo sary hosodoko izay nataony, ireo pitiby sy paikafo nataony, ary ankoatra ireo dia mpikabary sy mpandaha-teny ihany koa i Rado.

Lire la suite

Articles Similaires