• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marc Ravalomanana
Image
Vaovao

Analavory : Tsy navela hamory vahoaka i Marc Ravalomanana

30/05/2023 15:48 © Moov.Mg

Nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso tao Analavory androany maraina. Tsy navelan'ireo mpitandro ny filaminana hiditra ny tanàna ny foloham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana.

Nikasa hanatanteraka fihaonana tamin'ireo mpomba azy tao Analavory ny filoham-pirenena teo aloha sady mpitarika ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana. Teo am-pidirana ny tanàna indrindra no nanao "barrage" ireo mpitandro ny filaminana. Nandrava ny barrage ireo depiote sy ireo mpiandraikitra teo anivon'ny antoko TIM. Niezaka nifampiresaka ihany koa moa ny andaniny roa saingy tsy nahita vahaolana. Nihamaro hatrany ireo olona nitangorona tao aorian'ny filoha Marc Ravalomanana ka niafara tamin'ny fanaparitahana azy ireo tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso izany.

"Tsy mihemotra amin'izay endrika herim-pamoretana isika. Aok'izay ny fampijaliana ny Malagasy, ny fanitsakitsahana ny Zo aman-kasina maha olona", hoy i Marc Ravalomanana tao amin'ny pejiny Facebook. Tsy tanteraka ny hetsika androany na dia niezaka niady hatramin'ny farany aza ny antoko TIM. Manahy mafy ny amin'ny teritery mikasika ny fifidianana amin'ity taona 2023 ity moa ny antoko. Mbola nanamafy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa "Mila FIFIDIANANA ny Malagasy rehetra. Aok'izay, hajao ny LALAM-PANORENANA."

Lire la suite

Articles Similaires