• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rp
Image
Vaovao

Mahajanga : Kamiao 12 sy trano iray kilan'ny afo tao Antanimalandy

23/05/2023 00:46 © Moov.Mg

Alatsinainy 22 may 2023. Mitatao vovonana teo ho eo. Taitra ireo mponina tao Antanimalandy raha nahare fipoahana mafy. Tsy ela akory dia niakatra ny setroka sy ny afo mijoalajoala. Kamiao miisa 12 sy trano iray no lasa lavenona tamin'izany.

Kamiao mpitatitra solika iray tao amin'ny garazy lehibe ao an-toerana no nipoaka. Nanaka-danitra ny sekotra mainty tao anatin'ny fotoana vitsy. Niitatra tamin'ireo fiarabe hafa niantsona tao amin'ny tokontanin'ilay garazy ny afo. Voa maika nijoalajoala ny afo rehefa nahazo ny kamiao citerne izay nisy solika. Nisy trano fanitso ihany koa, izay kila forehitra ny entana tao anatiny. Tsy nisy afaka namoaka ny entana moa satria nihidy ilay trano, sady tsy nisy olona. Marihina anefa fa tonga ara-potoana ny mpamonjy voina, nefa noho ny afo niitatra dia tsy maintsy natao izay ifehezana izany. Mbola manohy namono afo ny mpamono afo hatramin’ny 6ora sy sasany hariva teo ho eo.
Raha ny loharanom-baovao azo hatreto dia resaka "soudure" no niteraka ity loza ity. Andrasana nefa ny valin'ny fanadihadihana afahantarana ny tena zava-nisy marina. Tampoka tokoa ny loza ka sarotra ny nifehy ny afo. Ny andro rahateo nafana nigaingaina. Vokany, tombanana ho amina miliara ny fahavoazana.

Fahamailoana

Tsy mitsahatra mitondra fanentanana ny mpamonjy voina na ny eto Antananarivo na any amin'ny faritra. Entanina ny tsirairay samy ho mailo hatrany amin'ny fitandroana ny aina sy ny fananana. Tsy azo atao ambanin-javatra ireo fepetra samihafa rehefa mikirakira fitaovana mandeha amin'ny herinaratra. Raha sendra misy loza kosa, indrindra raha misy afo miandoha, tsara ny miantso mpamonjy voina avy hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires