• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sénat De Madagascar
Image
Vaovao

Lapan'ny Fitsarana : Napetraka tamin'ny fomba ofisialy ny Tonia Mpampanoa Lalàna vaovao

22/05/2023 16:03 © Moov.Mg

Androany 22 may 2023 no mandray ny asany amin'ny fomba ofisialy ny ny Tonia Mpampanoa Lalàna (Procureur de la République) vaovao eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo (TPIA), Ramatoa Narindra Navalona RAKOTONIAINA.

Nandray lanonana goavana androany maraina ny teny amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy Antananarivo. Tafapetraka tamin'ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny lanonam-pitsarana manetriketrika ny Tonia Mpampanoa Lalàna vaovao. Tonga nanatrika ny lanonana ara-pitsarana ny Minisitry ny Fitsarana sady Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ramatoa Landy Mbolatiana ANDRIAMANANTENASOA. Tonga nanatrika izany ihany koa ny Filohan'ny Antenimierandoholona, Andriamatoa Herimanana RAZAFIMAHEFA.

Ady amin'ny kolikoly sy ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina

Ramatoa Narindra Navalona RAKOTONIAINA moa no Tonia Mpampanoa Lalàna fahafito ambin’ny folo eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo. Fanambiny ny hamongotra ny asa ratsy rehetra mifandray sy mifanitsy amin’ny andraikitra sahaniny eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, toy ny ady amin’ny kolikoly sy ny ady amin’ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina. Hametraka paikady manokana ny tenany mba hanafoanana ireo tsy fahamarinana miverimberina matetika eto amin'ny firenena, indrindra eo anivon'ny fitsarana Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires