• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ambohimalaza : Nohazain’ny zandary ny dahalo

22/05/2023 08:50 © Midi Madagasikara

“Olon-tsotra no nampandre ny zandary mikasika ny fisian’ny olona mampiahiahy mihaodihaody teo amin’ny fokontany Antentona-Ambohimalaza. Nampandrenesina ny ben’ny tanàna ary ny fiarany no nitondra ny zandary nidina an-tsehatra.

Teny an# dàlana no nahafantarana fa olona avy eny amin’ny faritra Ambatomasina no niantso vonjy, nisy nangalatra ny omby roa tao anaty vala” raha araka ny fanazavan’ny zandary. “Avy hatrany dia nahetsika ireo andrimasim-pokonolona avy any amin’ny faritra rehetra manodidina ary nasiana olona ny kizo rehetra. Vokatr’izany, vaky nandositra ireo jiolahy ary navelan’izy ireo teo ambanin’Ambatomasina ireo omby halatra”, raha araka ny zandary hatrany.

Taorian’izay dia nosavaina daholo ireo toerana manodidina mety hieren’ireo jiolahy nandositra, nampandrenesina ny fokontany manodidina, noentanina ny fokonolona mba ho mailo, naverina tamin’ny tompony ny omby ary nosokafana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Mbola mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Etsy andanin’izany, mbola tany Ambohimalaza ihany no nisy olona telo izay voarohirohy tamin’ny vaky trano ka nosamborina.

Tamin’ity tranga ity dia nopoirin’ny olon-dratsy ny “grille de protection” ary lasan’izy ireo tao ny karatra banky, ny kara-panondro, ny solosaina, ny fahitalavitra (izay nopotehina rehefa tsy voabata) ary koa ny finday maromaro. Nitory ny tompon-trano ary nahazo alàlana hisava ny tranon’ny nahiahiana ny zandary. Nanampy betsaka izany ary niafara tamin’ny fisamborana ireo noahiahiana. Nidoboka am-ponja avokoa ireo rehefa nandalo fampanoavana. Mitohy ihany ny fanadiovana ataon’ny zandary etsy Ambohimalaza…

D.R

Lire la suite

Articles Similaires