• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Compagnie Imerina Centrale
Image
Vaovao

EPP Mandimbisoa Manjakandriana : Tratra ambodiomby ireo olon-dratsy saika hamaky ny sekoly

21/05/2023 19:55 © Moov.Mg

Tsy nahatanteraka ny asa ratsiny ireto mpangalatra saika hamaky ny EPP Mandimbisoa Manjakandriana, kaominina Sambaina. Noho ny fampitam-baovao avy tamin'ny olon-tsotra dia tonga ara-potoana ny zandary.

Ny 20 may tokony tamin'ny valo ora alina teo ho eo no nitranga ny asa ratsy. Ireo varavaravana vy miisa fito (07) amin'ireo efitrano fianarana sy ny sinibendrano no tena nokasain'ireo olon-dratsy hangalarina. Efa voaendaka avokoa ireo fitaovana ireo ary efa saika nentina tanaty fiara. Rehefa tonga nefa ny zandary dia vaky nandositra ireo mpangalatra, ka ny iray ihany no voatazona. Araka izany, tsy nisy entana very tao amin'ny sekoly, saingy misy fahasimbana ireo varavarana nongotana.
Nogiazan'ny zandary moa ny fiara "sprinter" nentin'ireo jiolahy hanaovana ny asa ratsy, nitondra azy ireo teny amin'ny manodidina ary saika hitaterana ireo entana hangalarina. Mitohy ny fikarohana ataon'ny zandary amin'izao fotoana izao, mikasika ireo mpangalatra tafatsoaka.

Fiaraha-mientana

Tsy tontosa ny asa ratsin'ireto jiolahy noho ny fanomezam-baovao nataon'ny manodidina. Ilaina tokoa ny miara-miasa amin'ny mpitandro ny filaminana mba ahatratrarana ireo olon-dratsy mikasa handrava fananan'olon-tsotra na fananana iombonana. Asaina ny rehetra mba hiantso avy hatrany ny mpitandro ny filaminana raha misy tranga mampiahiahy eny amin'ny manodidina.

Lire la suite

Articles Similaires