• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Farmasia : Malalaka ny fividianana séringue enti-mitsabo

13/05/2023 07:13 © Moov.Mg

Fahasalamana : Ny Holafitry ny Farmasianina eto Madagasikara dia manamafy fa tsy ilàna taratasy avy any amin’ny dokotera (ordonnance) ny fahazoana mividy seringue any amin’ny farmasia.

Séringue enti-mitsabo, fanjifana malalaka

Noho ny firongatry ny fitsindromana roro, maro ireo nanely tsaho fa tsy azo vidiana intsony ireo séringues eny amin'ny farmasia raha tsy manana ordonnance. Maro ireo nanely izany na olon-tsotra na mpanao gazety tao amin'ny tambazotran-tserasera. Ambara nefa fa tsy mila ordonnance velively ireo "séringues enti-mitsabo". Tsy vitsy no mila azy ireny anindromana fanafody raha sendra marary, anadiovana oron-jazakely, anomezana sakafo ho an'ny biby, sns. Misy mihitsy aza no mampiasa azy ireny amin'ny "imprimante" sy ireo fitaovana samihafa ilàna ampidirana rano.

Séringue itsindromana "insuline", mila ordonnance

Ampahatsiahivina kosa nefa, mila mitondra ordonnance hatrany ireo diabetika izay mila "séringue itsindromana insuline". Tsy zava-baovao intsony moa izany fa efa fantatr'ireo mpila azy tsara. Marihana fa ireny séringue kely ireny mihitsy no tena tadiavin'ireo mpitsindrona roro. Mbola mipetraka araka izany ny fandrarana ny fividianana ireny karazana séringue fampiasan'ny diabetika ireny.
Azon'ireo farmasiana atao tsara ny manontany ireo mpividy ny amin'ny antony ilàna ny "séringue", indrindra moa fa raha ireo kelikely no ilaina. Ampahatsiahivina kosa ny besinimaro mba hanadihady tsara ireo vaovao mivoaka rehetra satria maro no mahay manely tsaho.

Lire la suite

Articles Similaires