• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fisorohana ny hain-trano : Mila mailo hatrany ny rehetra

04/05/2023 14:10 © Moov.Mg

Anisan'ny maha-sarotra ny asan'ny mpamonjy voina ireo trano maro tsy manara-penitra eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Manao fanentanana manokana izy ireo, amin'izao andro iraisam-pirenena ho an'ny mpamonjy voina izao, ny amin'ny hitandreman'ny tsirairay. Tsy adino ny fampanarahana fenitra ny fanamboarana trano

Olom-pirenena tompon'andraikitra

Ny fahamaizan'ny trano dia mitarika fahaverezan'ny fananana nohariana. Mety hamoizana aina aza raha tsy tafavoaka ireo olona mipetraka ao anatin'ilay trano may. Tsy ireo monina ao anatin'ny trano may ihany nefa no mety ho voa mafy fa ireo manodidina ihany koa. Matetika mantsy dia miitatra ny afo na mirodana ilay trano mirehitra.
Araka izany, ireto misy torohevitra vitsivitsy mba isorohana ny hain-trano :
-Hamarinina avokoa raha mihidy tsara sy tsy mandeha intsony ireo fatana gaz na mandeha amin'ny herinaratra isaky ny avy mampiasa, indrindra moa fa rehefa hivoaka ny trano ;
-Tsofina ny labozia rehefa matory. Tsy mamela labozia mirehitra ao an-trano raha sendra hivoaka ;
-Sokafana ny varavarankely rehefa mahandro ao anaty toerana mihidy ;
-Fitaovana zakan'ny tanjaky ny herinaratra ihany no ampiasaina. Hamarinina matetika ireo "branchements" sy "équipements électriques" ao an-tokantrano ;
-Tsy avela ilalaovan'ny zaza ny ao an-dakozia rehefa misy afo mirehitra ;
-Tsy mamela zaza irery ao an-trano.
Araka ny nambaran'ny Colonel Tiana RAZAFIMANAHAKA, Chef de Corps des Sapeurs Pompiers, iray isan'andro ny trangana hain-trano eto Antananarivo Renivohitra.

Trano manaraka ny fenitra

Tsikaritr'ireo mpamonjy voina fa anisan'ny manahirana ny famonoana afo rehefa tsy manara-penitra ilay trano. Maro ohatra ireo trano no kely loatra ny varavarankely ka sarotra ny miditra eo raha misy ny firehetana. Na eo aza mantsy ny fitandremana, maro ireo antony mety hahatonga afo. Noho izany indrindra, entanina ny tsirairay mba hanaja ireo fenitry ny fanamboarana trano. Ny varavarankely ohatra dia tokony mirefy 1,30 m2.
Raha mikasika ny firodanan'ny trano kosa no resahina, matetika izy ireny no efa ahitana fambara mampiahiahy : hazo lo, rindrina mitresaka, firodanana amin'ny ampahany, sns. Miisa eo ho eo amin'ny 300 amin'izao fotoana izao ny fitsirihana ataon'ny mpamonjy voina amin'ireo foto-drafitrasa ahiana hirodana. Tafiditra amin'izany ireo tranogasy aman-jato taona lasa nefa tsy misy fikarakarana. Misy moa ireo efa namoahana didy fandrodanana, ary manatanteraka ny fandrodanana tokoa ny mpamonjy voina. Mba tsy hihitaran'ny raharaha, entanina ny tsirairay nefa mba samy hiaro ny ainy ka hanatanteraka fanamboarana raha misy mampiahiahy.

Lire la suite

Articles Similaires