• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Asa fanaovan-gazety : Maherin’ny 2 000 ireo mpanao gazety eto Madagasikara

03/05/2023 17:15 © Moov.Mg

Mpizara vaovao sady mpanabe ny fiaraha-monina ny mpanao gazety. Anisan'ireo mpisehatra manan-danja eo amin'ny firenena iray ny fisian'ireo mpisehatra eo anivon'ny serasera. Androany 3 may no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Ny ady amin'ny fanaparitahana vaovao diso moa no tena votoanton-kevitra nifandinihana.

Fampakarana ny lentan'ny asa fanaovan-gazety

Mila manaraka ny fivoarana hatrany ireo mpanao gazety. Efa miroborobo tanteraka ankehitriny ny fanelezana vaovao amin'ny tambazotran-tserasera. Tsy mihen-danja kosa nefa ireo haino vaky jery efa nisy hatramin'izay, dia ny gazety an-tsoratra, ny onjam-peo sy ny fahitalavitra. Tsikaritra nefa fa miha-mitombo ny vaovao diso sy tsy voamarina ka sady manakorontana saim-bahoaka no mampihen-danja ny hasarobidin'ny asa fanaovan-gazety. Araka ny nambaran-dramatoa minisitry ny serasera, Lalatiana Rakotondrazafy, fa manambana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ireo mpanao gazety sasany izay tsy nianatra mikasika ny asa fanaovan-gazety akory. Na izany na tsy izany, mila mampakatra ny fahalalany hatrany ny mpanao gazety tsirairay : mamaky boky, manaraka fampiofanana, sns. Izany moa dia ahafahana mampita sy mizara fahalalana amin'ny vahoaka.
Amin'izao taom-pifidianana 2023 izao, miantoka ny filaminan'ny fifidianana ny fametrahana lalàna manokana ifehezana ny fampielezana vaovao tsy marina amin'ny tambazotran-tserasera. Misy moa ny fakan-kevitra amin'ireo mpisehatra rehetra eo anivon'ny ministera, ny tompon'orinasan-gazety ary indrindra ireo mpanao gazety.

Fahalalahana amin’ny fahazoana sy ny fanelezam-baovao

Nandritra ny taona maro no efa nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Nandritra ny 5 taona mifanesy dia nanambara ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy, fa "malalaka ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara". Tsy lavina tokoa fa samy efa manao ny ezaka tandrify azy ireo andrim-panjakana, ny orinasa sy ireo olo-malaza mikasika ny famoaham-baovao. Tsy azo adinoina ihany koa fa mbola maro ireo sehatra, indrindra ireo miankina amin'ny fanjakana, no manano sarotra ny fahazoam-baovao. Ny filohan'ny holafitry ny mpanao gazety (OJM), Monica Rasoloarison, moa dia nanambara fa maharay fitarainana matetika mikasika izany. Araka izany, mbola ady mitohy ny fanalalahana ny zo amin'ny fahazoam-baovao ho an'ireo mpanao gazety eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires