• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msp
Image
Vaovao

USAID : Fampitaovana mitentina 1 tapitrisa dolara ho an’ny Fahasalamana

03/05/2023 17:32 © Moov.Mg

1 tapitrisa dolara no totalim-bidin’ireo fitaovana natolotry ny USAID ho an’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Tohana ho an’ny fahasalamana

Ny faran’ny herin’andro teo dia nanolotra fitaovana mitentina 1 tapitrisa dolara ho an’ny Madagasikara ny governemanta amerikana tamin’ny alàlan’ny USAID. Natao izao mba hanatsarana ny fitahirizana sy ny vizarana ny vaksiny. Ity farany dia zava-dehibe tokoa indrindra indrindra ho an’ireo olona marefo manerana. Tanjona amin’izao fifanampiana izao noho izany ny mba ahafahan’ireo vahoaka monina any amin'ny tany lavitra andriana misitraka vaksiny.
Ny vaksiny dia fantatra fa fomba iray mahomby ahafahana mamongatra, mandritra ny fotoana maharitra, ny firongatry ny valanaretina isan-karazany. Tafiditra ao anatin’izany aretina mbola manjaka eto antoerana ohatra ny kitrotro, ny lefakozatra ary ny COVID-19.

Fitaovana sy fanafody

Araka ny efa voatsidika tetsy ambony dia fitaovana sy fanafody miompana amin’ny fanaovam-bakisiny sy ny fitiliana isan-karazany no fanohana isitrahan’i Madagasikara tamin’ny alàlan’io teti-bola io. Karazana fitaovan’ny rojo mangatsika noho izany no voarakitra ao anatin’io fanohanana io. Afaka resahana amin’izany ohatra ny « groupes électrogènes », ny « convertisseurs », ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herinaratra sy ny masoandro. Ankoatra izay dia tafiditra ao ihany koa ny fanafody sy ny fitaovana fiarovana izay hahafahana manatsara ny fitahirizana, ny fitaterana ary ny fandefasana vaksiny avo lenta. Ho ampitombona ihany koa ny fitaovana fanaovana fitiliana haingana ny COVID-19.
Araka ny tombana izay natao nandritra ny fanatontosana ity tetikasa ity dia olona eo amin’ny 2,5 tapitrisa mahery eo no hahazo tombony amin’ireo fitaovana ireo. Singanina manokana ireo vehivavy bevohoka sy ny zaza latsaky ny dimy taona eny anivon’ny faritra valo amin’ireo 23 manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires