• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ggv
Image
Vaovao

Lehilahy nampamono ny vadiny : Voasambotra izy sy ny mpiray tsikombakomba taminy

03/05/2023 16:55 © Moov.Mg

Vosambotra omaly 03 Aprily ilay lehilahy iray ahiana fa nampamono ny vadiny tany Faratsiho. Voajono niaraka taminy ihany koa ireo niray tsikombakomba taminy tamin’izany fanaovana asa ratsy izany.

Vehivavy hita faty tany Faratsiho

Raha hiverenana ny zavatra niseho dia vehivavy iray 52 taona no hita faty ny faha 19 volana Aprily lasa teo tany Faratsiho. Ity farany dia nonina tao amin’ny fokontany Ambohitratsimo, Kaominina Andranomiady ao amin’ny distrika Faratsiho. Nanomboka tamin’io fotoana io dia nisokatra ny fanadihadiana teo anivon’ny zandarimaria notarihin’ny Komandy vonjimaika ny tobim-paritra Faratsiho. Rehefa nandroso tamin'ny asa fanadihadiana nataony ny zandary dia nahita fa mety ilay rangahy vadin'ny maty ihany no mety ho tompon'antoka tamin'izao famonoana izao.
Matetika no efa nisy disadisa teo amin’ilay vehivavy namoy ny ainy sy ny vadiny. Fantatra ihany koa fa efa mifamaly matetika izy ireo ary tsy mifankahazo. Araka ny angom-baovao izay hita teny amin’ny tambazotran-tserasera sy araka ny vaovao nampitain’ny groupement gendarmerie Vakinankaratra dia nanankevitra ny hamono ilay vadiny ity rangahy rehefa leo.

Drafitra mati-paika

Ny rahalahiny sy ny namany ihany no nirahan’ity rangahy ity hanapitra ny ain’io vadiny io. Olona roa hafa kosa no fantatra fa namolavola ny fomba hanatanterahana io asa ratsy io. Rehefa vita ny famonoana dia ireo roalahy izay namolavola ny famonoana ihany no mody nampandre ny sefo fokontany ary nilaza fa « misy vehivavy maty atsy ambany atsy ». Nalefa nitsoaka tany Imerintsiatosika kosa ireo telolahy izay tsy iza fa ireo namono mivantana.
Nandritra izany haza lambo izany dia ny zandarimaria Imerintsiatosika no nikaroka sy nisambotra azy telolahy. Ny zandarimaria Faratsiho kosa no naka azy ireo tany Imerintsiatosika. Efa natolotra ny fitsarana omaly 02 Mey moa izy enina mirahalahy ireo, ary efa notanana am-ponja vonjimaika ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires