• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

03 Mey: Andro maneran-tany ho an'ny falalahan'ny asa fanaovan-gazety

03/05/2023 15:12 © Moov.Mg

Marihana isan-taona ny 3 Mey ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Zo fototra amin’ny asa fanaovan-gazety ny falalahana hiteny sy haneho hevitra ka rariny raha arovana ireo zo ireo. Fa inona tokoa moa no ilàna ny falalahana eo amin’ny asa fanaovan-gazety ? Inona no antony ankalazana ny 3 mey ? Inona no foto-kevitra hanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny falalahan'ny asa fanaovan-gazety ho an’ny taona 2023 ?

Ireo antony lehibe ilàna ny fahalalahana eo amin’ny asa fanaovan-gazety

Anisan’ny zo fototry ny rafitra demokratika ny fananan’ny olona rehetra zo haneho hevitra sy hahazo vaovao mari-pototra, tsy misy sivana. Miantoka tanteraka amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety noho izany ny fahafahan’ny olom-pirenena misitraka izany zony izany. Voarakitra ao amin’ny Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny Zon'olombelona raha teo ny falalahan’ny asa fanaovan-gazety. Izany dia miompana tanteraka amin’ny fahafahan’ny mpanao gazety manao fanadihadiana sy mampahafantatra an-kalalahana ny olom-pirenena momba ny lohahevitra safidiny.
Noho izany, tokony malalaka ny haino aman-jery handefa vaovao samihafa, haneho hevitra, hiady hevitra ary hitsikera. Marihina kosa fa misy ireo lalàna sy fitsipika mifehy ny asa fanaovan-gazety. Anisan’izany ny fampitàna vaovao maro-pototra ary ny fanajàna ny hafa. Sokajiana ho votohintohina ny falalahan’ny asa fanaovan-gazety raha toa ka vohaja ara-dalàna ireo fitsipika sy fepetra ireo nefa mbola voasakana ny mpanao gazety iray hanatanteraka ny asany.

Inona no antony ankalazana ny 3 Mey ?

Ny taona 1993 no nanambaran’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana ho andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny 3 Mey. Tapaka izany ho famaliana ny antson’ny mpanao gazety afrikanina mikasika ny fangatahana ny falalahana sy ny fahaleovantena ny haino aman-jery.
Nofaritana ny andro 3 Mey mba entina ampahatsiahivana ny governemanta ny fanekeny hanaja ny falalahan’ny asa fanaovan-gazety. Natokana ihany koa io andro io mba hisaitsainan’ireo mpanao gazety matihanina mikasika ireo olana mifandraika amin’ny fahalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fanajana ny etika mifehy izany.

Inona no foto-kevitra hanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny falalahan'ny asa fanaovan-gazety ho an’ny taona 2023 ?

Nomarihina tamin’ny alalan’ny atrikasa natao teny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka anio ny andro maneran-tany ho an'ny falalahan'ny asa fanaovan-gazety 2023 ho an’ny Madagasikara. Hetsika nokarakaraina teo ambany fiahian-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo moa izany, ary maharitra roa andro. Miompana betsaka amin’ny fomba entina hanaraha-maso ny fomba fiasa eny anivon’ireo sehatra nomerika ity hetsika ity. Izany dia mba hiarovana ny falalahana maneho hevitra sy ny fahazoam-baovao.
Novelabelarina tamin’ity andro voalohany ny firoborobon’ny fampiasana ny fitaovan-tserasera sy ny teknolojia avo lenta eto Madagasikara. Notsindriana manokana ny fampiasana ny Facebook ho lasa fitaovana hanaparitahana vaovao diso, tsaho, sy fanalam-baraka ary fandrangitana amin’ny endriny samihafa. Notanterahana nandritra ity atrikasa ity ihany koa ny famelabelaran-kevitra sy ny dinidinika mikasika ny fampitana sy ny fikirakirana ny vavao mandritra izao taom-pifidianana izao.

Lire la suite

Articles Similaires