• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Antenimieram-pirenena : Misy fandinihana ny ara-tsosialy ny fivoriana ara-potoana voalohany 2023

03/05/2023 05:57 © Moov.Mg

Nisokatra omaly 02 may 2023 teto amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny fivoriana ara-potoana voalohany amin'ny taona 2023, izay notarihin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine.

Fahatongavana mavitrika

Tonga maro ireo mpivory, izany hoe ireo depiote mandrafitra ny antenimieram-pirenena. Tazana teny Tsimbazaza ihany koa, tamin'ny fanokafana, ireo reo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay notarihin’ny Praiminisitra NTSAY Christian. Tonga teny an-toerana ihany koa ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona RABEMANANJARA Nicolas, ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana RAKOTOARISOA Florent, ary ny Filohan’ny CENI ANDRIANARISEDO Dama Arsène.
Nanamarika ny fotoana omaly ny fanotronan'ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto amin'ny firenena.

Sehatra sosialy

Amin'ny maha-solombavam-bahoaka ny eo anivon'ny antenimieram-pirenena dia manaraka tsy tapaka ny zava-misy eny amin'ny fiaraha-monina izy ireo. Navoitry ny Filohan’ny Antenimierampirenena nandritra ny lahateniny ireo tarainan’ny vahoaka. Notanisainy tamin'izany ny y fidangan’ny vidin-jiro sy ny fahatapan-jiro lavareny, ny tsy fandriam-pahalemana, ny olana samihafa ateraky ny fandraisana zava-mahadomelina (rôrô) ary ny kolikoly eo amin’ny fampandehanan-draharaham-panjakana. Tsy voatanisa moa ireo olana sosialy saingy izay tena maika no itadiavam-bahaolana.
Mamporisika ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny Ramatoa Razanamahasoa Christine mba hampitombo ny ezaka natomboka. Mila mandray andraikitra manokana kosa ireo voakasika manokana. Tsy adino ny anjaran'ny tsirairay, toy ny fanaraha-maso ilaina ataon'ny ray aman-dreny amin'ny zanany, manoloana ny firoboroboan'ny fandraisana zava-mahadomelina.

Fifehezana ny fanondranana harena an-kibon'ny tany

Anisan'ny andrasan'ny maro ny mikasika ny "code minier". Ny tolo-dalàna vaovao mantsy dia mampihena ny "ristourne" ho 30% ho an'ireo entana efa nomena endrika hafa. Tsy mazava tsara amin'ireo mpandraharaha nefa ireo fitsipika apetraky ny ministera amin'izany. Irian'izy ireo fatratra ny mba hamelan'ny fanjakana fahalalahana eo amin'ny fandovavam-bola eo amin'ny mpivarotra sy ny mpividy. Anisan'ny ankasitrahan'ireo mpandraharaha kosa nefa ny andinin-dalàna izay mampakatra ny tamberim-bidy (redevance) ho 5% raha 2% izany teo aloha.
Anisan'ny hodinihin'ireo depiote ihany koa ny volavolan-dalàna momba ny teti-bola-panjakana nasiam-panitsiana “LFR 2023” izay tokony ahitana taratra ny vola hanaovana fifidianana.

Lire la suite

Articles Similaires