• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Odon Marius
Image
Vaovao

Toamasina : Ady amin’ny tsy fandriampahalemana, nametrahana jiro manerana ny tanana

02/05/2023 14:38 © Midi Madagasikara

Maro amin’ireo mpivarotra no mihidy aloha, raha vao manomboka mirotsaka fotsiny haizina. Efa tsy dia misy sahy mivoaka alina intsony ihany koa ireo mponina, indrindra fa ireo tsy maintsy hiditra lalam-pasika. Ao Toamasina : hiaraha-mahalala ny tsy fitebitebin’ny mponina noho izay resaka tsy fandriampahalemana izay.

Vao tsy ela fa ny herinandro lasa teo, dia tokatrano iray teny amin’ny Cité Haras, Andranomadio no notongavan’andian’olon-dratsy. « Notapahan’izy ireo ny « fil barbelé » teo amin’ny tamboho ary niditra, namaky ny fiara sy nibata izay zakany teo an-tokontany izy ireo » hoy ny fitantaran’ny tompon-trano niharam-boina. Efa maro ny tranga tahak’izany teny an-toerana, ary tsy izay ihany fa indrindra ny fanendahana miharo herisetra mahazo ireo tratra hariva hiditra amin’izany toerana izany : lalam-pasika maizina tanteraka. Tsy Andranomadio ihany anefa. Toerana iray izay fanta-daza any an-drenivohitry ny faritra Atsinanana ihany, ny eny Tanambo Verrerie, izay hanjakan’ireo tontakely sy mpanafika isan-karazany, noho ny fahamaizana nanjaka teny an-toerana. Manomboka izao, heverina fa hanomboka hiaina am-pilaminana ireo mponina eny amin’iny faritra iny, noho ny fahatongavan’ny hazavana. « Hinoako fa na amin’ny sivy ora alina aza dia mety mbola hisy hivarotra amin’iny lalam-pasika iny » hoy ny Ben’ny tananan’i Toamasina, Atoa Nantenaina Rakotonirina.

Nanomboka ny zoma lasa teo tokoa dia nirehitra ny jiro teny amin’ireo « poteau » ary nazava ny lalana teny Tanambao Verrerie sy ireo lalam-pasika teny Andranomadio, raha aman-taonany maro niaina tao anaty haizina ireo mponina. « Efa ela no tonga taty amiko ny fitarainana, ary dia izao voavaly izao » hoy hatrany ny Ben’ny tanana. Marihana fa fiaraha-miasa teo amin’ny ministeran’ny Angovo sy ny akoran’afo, niaraka tamin’ny Jirama ary ny kaominina ambonivohitra Toamasina no nahafahana nahazo ireto jiro nanazava ny tanana ireto. Tonga nanatrika ny lanonana fohifohy ary nitety ireto lalan-kely efa mazava isan-karazany teny an-toerana ireo tompon’andraikim-panjakana maro nahitàna ny Ben’ny tanana, ny Ministra « coach Atsinanana », ny Senatera voafidy tao Toamasina, ary ny DirCab avy eo anivon’ny ministry ny Angovo. Endrika faly sy ravo no hita teny amin’ny endrik’ireo mponina izay vory lanona tokoa, na dia efa somary alina aza.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires