• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cyclone_Océan_Indien
Image
Vaovao

Ranomasimbe Indiana : Mety hisy rivo-doza hiforona

02/05/2023 09:09 © Moov.Mg

Ahiana ny mety hiforonan’ny rivo-doza ao amin’ny tapany Atsimo Andreafan’ny ranomasimbe Indianina amin’izao fiandohan’ny volana mey izao, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny foibe mpamantatra ny toetry ny andro.

Araha-maso ny mety ho fiforonan’ny rivo-doza

Ahitana andian-drahona miforona any amin’ny 4 000 km Avaratra Atsinanan’i Madagasikara ankehitriny. Araka ny nampitain’ny teo anivon’ny foibe famantarana ny toetry ny andro anefa dia 30% ihany ny taha mety hiforonan’ny rivo-doza avy amin’io angon-drahona io. Azo lazaina ho ambany ihany izany taha izany, kanefa araha-maso akaiky ny fivoarany na dia izany aza.
Tsy ahiana hisy fiatraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara hatreto ny fiforonan’io angon-drahona io, indrindra amin’izao fiandohan’ny herin’andro izao. Na dia izany aza dia somary hanjombona ny andro ho an’ny faritra Atsinanan’ny Nosy sy ny eto afovoan-tany. Mety hisy orana manify kosa ny any amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’ny Mahanoro raha ho tsara ny andro any amin’ny faritra hafa.

Tranga tsy dia fahita

Amin’izao fiandohan’ny volana Mey izao dia mbola ahiana hatrany ny mety hiforonan’ny rivo-doza, raha toa ka tokony hifarana mandritra ny volana Aprily izany amin’ny ankapobeny. Na azo lazaina ho tranga tsy dia fahita aza ny toa izao dia nanamafy kosa ny teo anivon’ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa tsy sambany no nisehoan’izao. Raha tsiahivina dia efa nahitana trangana fiforonana rivo-doza nivoaka ny fotoanan’ny rivo-doza tao amin’ny ranomasimbe Indiana. Ny volana Jolay taona 2016 dia niforona tao amin’ny ranomasimbe Indiana ny rivo-doza Abela. Io rivo-doza io noho izany no nanokatra ny fotoanan’ny rivo-doza 2016 – 2017.
Fantatra ihany koa fa ny fiovan’ny toetry ny andro no antony iray lehibe mety mahatonga ny tranga toa izao. Ity farany izay miteraka ny fiakaran’ny hafanan’ny ranomasina, izay marihina fa anisany mitarika amin’ny fiforonan’ny rivo-doza.

Lire la suite

Articles Similaires