• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dgd
Image
Vaovao

Nosy-Be : Volamena 2,958 kg nafenina tanaty "smartphone"

01/05/2023 19:00 © Moov.Mg

Miovaova hatrany ny fomba fanafenan'ireo mpanondrana volamena an-tsokosoko ireo "lingot d'or". Tamin'ity indray mitoraka ity dia nafenina tanaty finday avolenta izany, ka norakofana adhésif mainty. Ny "coque"-n'ny smartphone araka izany dia endrika fotsiny fa nasiana volamena tao anatiny.

Tao amin'ny seranam-piaramanidina Fascène Nosy-Be no nahatratraran'ireo mpiasan'ny Fadin-tseranana Malagasy vehivavy iray nampiahiahy. Nikasa ny handeha any Addis-Abeba, tamin'ny sidina ET 836, an'ny kaompania Ethiopian Airlines, moa ny tenany. Somary kaodikaody ity ramatoa ka naverina ny fisavana ny entany.
Hita tao anaty kitapony ny "smartphone" miisa efatra. Rehefa tena nojerena ireo fitaovana ireo dia tsy mandeha, sady mavesa-danja. Nosokafana ireo finday ireo ka nahitana volamena mifono "adhésif" mainty. Araka ny fanadihadihana natao tamin'ilay vehivavy dia nikasa ny hitondra ireo volamena ireo any Dubai ny tenany.
Efa nogiazana ireo volamena ireo ary ilay vehivavy kosa dia nentina any amin’ny biraon’ny Fadintseranana any Hell-Ville hanohizana ny fanadihadiana.

Ezaka mitohy

Tafiditra ao anatin'ireo fanamby napetraky ny Fadin-tseranana Malagasy ny fanakanana ireo olon-dratsy izay manondrana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Miezaka hatrany ireo tompon'andraikitra manamarina ny entan'ireo mpandeha rehetra. Efa mikaroka fomba maro tokoa mantsy izy ireo anafenana ireo harem-pirenena. Tsiahivina fa efa nisy nahavita nandrendrika volamena tanaty lamba fitafy.
Tsy ho ela dia hanana "brigade canine" ny ao Nosy-Be mba hanatsarana ny fanaraha-maso ny eo anivon'ny seranam-piaramanidina. Ireo alika manatanteraka ny asany moa dia afaka manombolo ireo zavatra afenina mampiahiahy toy ny zava-mahadomelina.

Lire la suite

Articles Similaires