• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Sosialy : Nisitraka fanohanana ara-tsaina ireo zaza kamobotin’ny Tafika

01/05/2023 11:26 © Moov.Mg

Nojerena manokana ireo ankizy kamboty taizana eny amin’ny zaza kambotin’ny Tafika etsy Antsahasoa Pagode ny faran’ny herin’andro lasa teo.

Tonga nitsidika sy nitondra fanampiana ho an’ireo zaza kamboty eo ambanin’ny fiahian’ny tafika indray ny eo anivon’ny Fikambanan’ny Vady Miaramila na FIVAMI. Tamin’ity indray mitoraka ity dia niova tamin’ny maha-zatra ny asa sosialy izay nataon’izy ireo, satria tohana miompana amin’ny fanohanana ara-tsaina no notanterahana.

Fandraisana an-tànana ireo zaza kamboty

Ny sabotsy 29 aprily lasa teo dia tonga nitsidika ireo zaza kamboty taizana etsy Antsahasoa Pagode ny FIVAMI, izay tarihan’i Lydia Rakotoarijaona. Tonga nanatevin-daharana ny fotoana ihany koa ireo dokotera miasa eo anivon’ny hopitaly miaramila soavinandriana (CENHOSOA), toa an’ny dr. Minohasina Andrianatoandro, Médecin M2 en psychologie, ny dr. Ester Odile Rahanitrandrasana « Médecin psychiatre et psychothérapeute en Eye Movement Desensitization et Reprocessing (EMDR) » ary ny Médecin Capitaine Nambinina Rasolofotsialona « psychiatre en thérapie EMDR ».
Tamin’izany ary no nanatanterahana ny hetsika fanohanana ara-tsaina natao ho an’ireo zaza kamboty. Noraisina an-tànana tsirairay ireo ankizy, ary nandritra izany no nahafahan’ireto farany nizara sy niresaka ny olana sy adi-tsaina izay mety ho sedrainy.

Fitoniana sy fahatokisan-tena

Tsy hetsika mandalo fotsiny ihany ny hetsika notanterahana ny sabotsy lasa teo. Fotoana manan-danja tokoa satria nahafahana nanampy sy nanohana ara-tsaina ireo kamboty. Tanjona tamin’ity hetsika ity, noho izany, ny mba hahafahana mandray an-tànana sy manaramaso ny fivelarana ara-tsainan’ireo zaza. Fa indrindra indrindra ny hanampiana azy ireo hanana fitoniana ara-tsaina sy fahatokisan-tena amin’ny fiatrehana ny ho aviny.
Eny « misy fitraikany eo amin’ny ankizy foana ny zavatra mafy nolalovany ka izany indrindra no ilaina izao fanohanana ara-tsaina izao na « accompagnement psychologique » » hoy ireo mpitsabo. Maro tokoa ankehitriny, ireo tanora no lasa mivari-lavo nohon’ny hamafin’ny adi-tsaina mpahazo azy ireo. Ao ireo tonga hatrany amin’ny famonontena mihitsy. Tsy ela akory izay fa ny volana martsa lasa teo no nahitana trangana famonontena niisa 15, araka ny tatitra nataon'ny ny obsevatoara momba ny Tanora.
Ny fihainoana sy ny firesahana ihany anefa no vahaolana ahafahana miady amin'izany, toa izao nataon’ny avy eo amin’ny FIVAMI izao.

Lire la suite

Articles Similaires