• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature_Lapan'I Mahazoarivo
Image
Vaovao

Tondra-drano : Tafiditra ao anatin’ny fiantohana ataon’ny ARC ny fiatrehana azy

30/04/2023 06:21 © Moov.Mg

Tafiditra ao anatin’ireo loza ateraky ny fiovan’ny toetr’andro izay mpahazo an’i Madagasikara ny tondra-drano. Toa ny haitany sy ny rivo-doza dia ilaina fandraisana an-tànana matotra ny tondra-drano.

Tontosa tetsy amin’ny Lapan’ny Mahazoarivo ny zoma lasa teo ny fihaonana teo amin’ny Praiministra Ntsay Christian sy ny Tale Jeneralin’ny Vondrona African Risk Capacity, Cheikh Diong. Noresahana nandritra io fihaonana io ny fiantohana avy amin’ny ARC, izay miompana amin’ny fandraisana an-tànana ireo fiatraikan’ny loza ara-boajanahary sy ny fiovan’ny toetry ny andro, toa ny tondra-drano.

Fanitarana ny fiantohana ataon’ny ARC

Manomboka izao dia tsy hijanona amin’ny fiantohana ny fandraisana an-tànana ny haitany sy ny rivo-doza fotsiny intsony ny ARC. Fantatra fa hihitatra hatrany amin’ny fijerena ny fiantohana ny tondra-drano ny fandraisan’antanana ho ataon’ity farany.
Tokatrano maro tokoa no voatery afindra toerana noho ny fiakaran’ny rano be loatra rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra sy ny rivo-doza isa-taona. Izany dia vokatry ny habetsaky ny rotsakorana, fa eo ihany koa ny fahatsetseman’ireo lalan-dràno. Raha ny tamin’ity taona ity fotsiny dia tokatrano manodidina ny 16 700 no voatery nafindra toerana tany amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny raha ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy no resahana. Ankoatra ny hamafin’ny fitsokan’ny rivotra dia antony lehibe niteraka ny fisian’ireo traboina ny tondra-drano avy amin’ny fisian’ny rotsak’orana be loatra.

Fomba fiasa mati-paika

Tsy zava-baovao ho an’ny roa tonta izao fiaraha-miasa izao. Araka ny efa natsidika tetsy ambony dia efa noraisin’ny ARC an-tànana nandritra ny taona maro ny fiantohana ny rivo-doza sy ny haitany teto Madagasikara. Efa misy ihany koa ny drafitra mati-paika napetraka izay marihina fa tafiditra ao anatin’ny fomba fiatrehana ny loza sy tandindon-doza eto amin’ny Nosy. Resahana manokana amin’izany ny « Plan National d’Adaptation » sy ny « Contribution Déterminée au niveau National », ireto farany dia miompana amin’ny fiatrehana ireo loza sy tandindon-doza avokoa.
Zava-dehibe ho an’ny roa tonta, fa indrindra ho an’ny Madagasikara ny fifanohanan’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona ARC toa izao. Nomarihin’ny Tale jeneralin’ny vondrona fa « manaporofo ny firaisan-kiana irasiam-pirenena » izao fiarah-miasa izao. Inoana ary fa hitondra vokatra tsara amin’ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza mpahazo an’i Madagasikara ireo tetikasa vaovao ireo.

Lire la suite

Articles Similaires