• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Fanaparitahana zava-mahadomelina : Olona 10 tratran'ny Service Stupéfiant tao anatin'ny iray andro

29/04/2023 06:04 © Moov.Mg

Nalaza tato ho ato ny fitsindromana Héroine ho an'ireo tanora. Nahazo ny solon'anarana hoe "rôrô" mihitsy moa io zava-mahadomelina voalaza io tao amin'ny tambazotran-tserasera Facebook. Tao anatin'ny 24 ora monja, miisa 10 ireo mpivarotra izany no tra-tehaky ny polisy.

Nanaitra ny sain'ny Malagasy maro, indrindra fa ireo mpampiasa ny tambazotran-tserasera Facebook, ny amin'ireo tanora maro mitsindrona héroine. Mampidi-doza tokoa io zava-mahadomelina io satria mahatonga fiankinan-doha (dépendance). Marary avy hatrany ilay mpandray azy rehefa mijanona kely. Mety hiafara amin'ny fanaovana herisetra sy fahadalana nefa ny fandraisana ny rôrô. Tsy vitsy amin'ireo tanora mpandray azy no voatery mangalatra sy mamono olona mba ahazoana vola ividianana izay fatra tadiavin'ny vatana.
Tsy latsaky ny 2 000 000 ariary nefa ny vola ilaina ho an'ireo mikasa hiroso amin'ny "désintoxication". Tsy mora araka izany ny fepetra takian'ireny centre de désintoxication ireny. Noho izany, entanina ireo tanora na olon-dehibe rehetra tsy hanandrakandrana. Ny manandrana mantsy mety mora sady mahafinaritra, saingy ny voka-dratsiny avy eo no mety haningotra ny aina.

Ady amin'ny rôrô

Ho fiarovana ny olona tsy ho potiky ny fandraisana zava-mahadomelina dia midina ifotony ny Polisy mijery sy mandray ny andraikiny ho an'ireo olona tratra manao izany. Ho an'ny eto Antananarivo dia miisa 10 ireo tra-tehaka, miisa 07 ny lehilahy ary 03 ny vehivavy .Teny Manakambahiny, Ankorondrano ary Antohomadinika no nahatratrarana azy ireo. Miroso amin'ny fanadihadihana azy ireo ny Polisy mba ahafantarana ireo namany sy ireo tanora vatsiany zava-mahadomelina. Entanina ireo olom-pirenena manana vaovao mba hiantso ny "Service Stupéfiant". Marihana fa mijanona ho tsiambaratelo ny resaka rehetra ifanaovana.
Tsy hijanona fa hitohy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ny ady atao amin'ity fiparitahan'ny zava-mahadomelina ity, araka ny nambaran'ny Polisim-pirenena.

Fanentanana

Azo atao tsara ny misoroka ny fandraisana zava-mahadomelina. Miainga amin'ny fanabeazana ao an-tokantrano izany. Tsara raha manara-maso sy mifampiresaka izay mahasoa hatrany amin-janany ireo ray aman-dreny rehetra. Raha misy tranga hafahafa toy ny tsy fahatongavana mianatra na ny fangalarana entana ao an-trano dia tsara raha ezahina fantarina izay ataony. Raha toa ka mandray zava-mahadomelina moa ilay tanora dia mila resena lahatra hotsaboina ka hiroso amin'ny désintoxication.
Mila vola, herim-batana sy herin-tsaina ny désintoxication. Tsy vitsy ireo tsaboina no mila fatorana satria mitady mafy ilay zava-mahadomelina ny vatany nefa tsy mahazo, ka manao fihetsika mahery.
Azo atao tsara ny mamporisika ny tanora amin'ny fialam-boly mahasoa isan-karazany : fanatanjahan-tena, lalao ara-tsaina, fandrahoana sakafo, sns.

Lire la suite

Articles Similaires