• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Hetsika Tselatra : Omby 320 tafaverina amin'ny tompony tao anatin'ny 2 andro

29/04/2023 05:36 © Moov.Mg

Manao ny ainy tsy ho zavatra amin'ny famerenana ny fandriam-pahalemana eto amin'ny firenena ny tafika Malagasy. Omby 200 no tafarerin'ny miaramilan'ny ZDS Tsiribihina raha miisa 120 kosa no tafaverin'ny ZDS Mandrare.

Ahazoam-bokatra tsara hatrany ny hetsika TSELATRA ataon’ny Tafika eo amin’ireo Fari-piarovana sy Filaminana (ZDS) 10 manerana ny Nosy.

ZDS Tsiribihina

Ny alin'ny 26 Aprily lasa teo dia avotra soa aman-tsara ireo olona 3 nataon'ny dahalo takalon'aina. Tafaverina amin'ny tompony ihany koa ireo omby 200 efa navoakan'ireo dahalo. Marihana moa fa narahin-dia ireo dahalo. Vantany vao nahare ny antson'ireo fokonolona Ankisatra, Kaominina Ankondromena, ny ZDS Tsiribihina dia nanao izay ho afany anavotana ireo takalon'aina sy ireo omby. Tsy nisy moa ny naratra tamin'ireo mpanara-dia.

ZDS Mandrare

Ny 7 Aprily kosa dia omby 120 nangalarin’ny dahalo tao Betanaikoho, Kaominina Tranomaro, Distrikan’Amboasary Atsimo. Rehefa natao ny fanarahan-dia ireo dahalo dia nisy ny fifandonana tamin'ireo dahalo. Nisy dahalo izay maty noho ny fifampitifirana. Nilavo lefona kosa ireo hafa ka nitsoaka, sady navelany ireo omby halatra. Araka izany, tafaverin’ireo miaramila avy ao amin’ny ZDS MANDRARE ireo omby miisa 120.
Ny ministeran'ny Fiarovam-pirenena dia manentana hatrany ny vahoaka mba hanome vaovao hatrany, ahazoana voakatra tsara manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires