• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Talatamaty : Mpanendaka roa voasambotry ny polisy kaominaly

28/04/2023 07:11 © Midi Madagasikara

Mpanendaka miisa roa no voasambotry ny polisy monisipaly teny Bel’Air Talatamaty omaly. Telo lahy no nikasa hanendaka vehivay iray teny an-toerana.

Araka ny fanazavana avy amin’ny olona teny an-toerana dia nandeha taxi-be ilay vehivavy io, ary niala teo Talatamaty no narahan’ireo jiolahy. Nandrahona sy nanambana antsy sy naka ny poketran’ilay ramatoa io ireo mpanendaka. Soa ihany fa nisy ireo polisy kaominaly Talamaty niasa teny an-toetana sady nanao fisafoana.

Niantso vonjy ilay vehivavy ary niditra an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Voasambotra noho izany ireo telo lahy, raha tafatsoaka kosa ny iray. Natolotra ny mpitandro filaminana ireo roa lahy voasambotra. Tamin’ny andro antoandro be nanahary no nanaovan’ireo jiolahy ny asa ratsiny. Efa mpamely eny an-toerana izy ireo, izao tratra izao. Miantso vonjy hatrany ny mponina amin’ireo jiolahy mpanendaka mirongatra tanteraka eny amin’iny faritra iny.

Yv Sam

Lire la suite

Articles Similaires