• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dw
Image
Vaovao

"Abus de Confiance" : Voaantso any amin'ny BIANCO i Ahmad AHMAD, filohan'ny CAF teo aloha

28/04/2023 04:33 © Moov.Mg

Nahazo taratasy fampiantsoana amin'ny fanadihadihana azy eo anivon'ny BIANCO Mahajanga Andriamatoa Ahmad AHMAD, filohan'ny kaonfiderasionina afrikanina momba ny baolina kitra (CAF) teo aloha.

Ny talata 02 may ho avy izao no hiatrika fakana am-bavany eny amin'ny biraon'ny BIANCO Mahajanga-be i Ahmad AHMAD. "Fanaparam-pahefana" moa no vesatra iahiahiana azy. Marihana fa ny asany teo aloha, izay tompon'andraikitra ambony teo anivon'ny CAF, no ifantohan'ny raharaha. Ny 26 aprily lasa teo moa no naharay ny taratasy fampiantsoana ny tenany, izay nosoniavin'Andriamatoa Maminirina Christian ANDRIANTAHIANA, lehiben'ny Service Territorial de l'Investigation eo anivon'ny BIANCO Mahajanga.

Mpitarika nahomby

Ny 17 martsa 2017 no voafidy ho Filohan'ny kaonfiderasionina afrikanina momba ny baolina kitra i Ahmad AHMAD. Anisan'ny nanamarika ny tantaran'ny baolina kitra afrikana ny tenany. Ny fanapahan-kevitra noraisiny ny amin'ny ampakarana ny ny isan'ireo mpifaninana hiaktra hiady ny dingana famaranana ny fifaninana tompon-daka Afrikanina ho 24 dia nahavelom-bolo firenena maro. I Madagasikara moa dia afaka niakatra soa aman-tsara hatrany amin'ny ampahefa-dalana tamin'ny CAN 2019.

Amin'ny maha-loholona sy minisitra teo aloha azy, andrasan'ny maro any amin'ny faritra Melaky ny hirotsahany amin'ny fifidianana filoham-pirenena. Andrasana ny tohin'ny raharaha, na mikasika ny fanadihadihana azy izany, na eo amin'ny sehatra politika.

Lire la suite

Articles Similaires